.

.

FIFADIAN-KANIN’I DANIELA – Andro faha fito ambin’ny folo

Fijoroana vavolombelon’i Barbara 


Ny vadin’i Pasitera Claudio Oliveira dia nitantara ny fomba nahafantarany an’ Andriamanitra ary nanao ahoana ny toe-javatra nolalovany talohan’ny fiovam-pony. Teo amin’ny faha-13 taonany dia niaina tao anatin’ny tokantrano rava izy satria ny reniny dia mpamatsy rongony ary nampiasa izany. Natahotra tokoa izy ny ahavery ny reniny, ka nanomboka nidiny tao an-trano izy mba hiarovana azy. "Tena voafatotry ny fahazaran-dratsin’ny cocaine izy, ary nisotro be sady mbola lasa “lesbienne” ihany koa.Natrehiko avokoa izany ary tsy nahafantatra ny raiko mihitsy aho. Irery izahay, izy, izaho sy ny rahavaviko," hoy izy.

Ny loza 
Fa ny ezaka rehetra nataon’ny zanany vavy dia tsy afaka namonjy azy tamin’ny fahafatesana. Herintaona taty aoriana, dia novonoin’ny mpama- tsy rongony hafa ny renin’i Barbara. "Mahery ny nahafatesany. Naolana izy, nokendaina, novonoina tamin’ny tifitra basy calibre 12 teo amin’ny lohany izy ary farany moa dia nodoran’izy ireo teny an-dalam-be ny vatany. Tsy afaka nahafantatra marina aho hoe izy ve io tany amin’ny Institut de Médecine Légale satria tena tsy hay fantarina intsony ny vatany ary mbola tsy ampy taona aho tamin’izay." hoy izy. Ny beben’i Barbara dia efa maty, ary toy izay ihany koa ny zanany dimy. Satria moa tsy nanan-janaka izy ireo, tao aorian’ny nahafatesan’ny reniny, dia tena tavela irery izy, tsy nanana namana, tsy nanan kavana, tsy nanana afa-tsy ny rahavaviny sisa izy.

CYNTHIA CRISTINA, rahavavin’i Barbara 
Irery teo amin’ny “trottoir” 
Tadidiny ihany koa fa fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’ ny reniny, Barbara dia nanomboka nanao famatsiana rongony tamin’ny toerany, ary teo amin’ny faha-14 taonany, dia efa nirongo basy sahady izy. "Tao aorian’ny namonoana ny reniko, dia nitsaoka niaraka tamin’ny rahavaviko aho (sary). Tamin’izay fotoana izay, niaina niaraka tamin’ny mpamatsy rongony izay avy amina andiany hafa aho. Tao aorian’fandevenana, izaho sy ny rahavaviko dia nipetraka irery teny amin”ny “trottoir”, tsy nahafantatra hoe aiza no aleha. Satria moa izahay dia zaza avy amin’ny ray samihafa, dia nentiko tany amin’ny raibe sy renibeny avy amin’ny rainy izy ary nanomboka niaina ny fiainako manokana aho, nefa nampanantena azy aho fa hiverina haka azy indra andro any. Feno fankahalana be tato anatiko. Na dia mbola tsy namono olona mihitsy aza aho, dia tiako ny mahita ny olona eo am-pahafatesana. Tsy nanana fihetseham-po ho an’na olombelona intsony aho, na iza io, na iza" izay no tsaroany. "Indray andro, nahita tovovavy iray nodorana velona aho. Ny iray tamin’ireo mpamatsy rongony dia nandidy azy hisotro lasantsy ary nandoro azy. Tadidiko ny kiakiakany, ny fangatahany famelana, nefa toy izay ny mikasika ny famatsiana, izay mamadika na mandaza dia tsy mahazo famelana, ny fahafatesana no miandry ary tanterahina miaraka amin’ny faharatsiana lehibe izany." hoy izy. 

Teo amin’ny lalan’ny fivarotan-tena 
Tamin’izay, ny fiainan’i Barbara dia voafehin’ny fankahalana. Niaraka tamin’ny fiainana rava sy irery, teo amin’ny faha-15 taonany izy dia niala tao São Gonçalo, faritra avon’i Rio de Janeiro mba hanana fiainana vaovao any Rio. "Niaina andro feno fitaintainana sy alina mahatsiravina aho. Eny amin’ireny bidonville ireny dia maro ny trano hazo afaka hivelomana, fa tsy misy olona manolo-tanana anao mba hanampy ireo olona ao anatin’ny tsy fisiana." hoy izy.
Nalahelo ny fianakaviany izy, naniry ho faty. Im-betsaka izy no nikasa hamono tena araka ny notsoriny taminay, nefa noho ny fampanantenana nataony tamin’ny rahavaviny, dia tsy nataony izany. Rehefa tonga tao Copacabana, faritra atsimon’i Rio izy, na dia mbola tena tanora aza, dia nantsoina hiditra amin’ny fivarotan-tena i Barbara, nefa teo anatrehan’ireo tovovavy efa manana traikefa mihoatra izy dia nihemotra. "Nolazain’izy ireo tamiko fa tsy afaka hahatanty ny “fandehan’ny asa” aho satria mila mandry amin’ny lehilahy maro ao anatin’ny iray andro, ary noho izany, dia mila mitroka cocaïne be dia be aho mba ahafahako mahazaka izany. Na dia nihalehibe tao anatin’ny tontolo izay feno rongony aza aho, tsy mbola nampiasa izany mihitsy satria natahotra ny ho lasa voafatotry ny fahazaran-dratsy toy ny reniko. Tsy nanaiky aho ary nitsoaka lavitra teo. Nokapohin’ilay tompon-trano aho ary nolazainy fa tsy mila manao «programme» fa mamaly ny antso fotsiny ary manasa ny lamban’ireo mpivaro-tena hafa." hoy izy.

Rano mangatsiaka ve? Tsia, rano avy ao amin’ny «cuvette»-ny toeram-pivoahana. 
Tadidiny fa: "Tao aorian’izany fijaliana maro izany dia nasain’na tovolahy iray izay efa maty amin’izao fotoana izao aho. Nanalavitra ny Fiangonana izy ary nilaza tamiko «ho entiko any amin’ny toerana iray izay hanova ny fiainanao ianao. Ny ahy tsy niova satria tsy nila an’izany aho, fa ianao kosa dia mila manana izany fahafahana izany." Nandeha tany aho noho ny fiheverako azy, satria tsy nino loatra aho hoe hisy olona na zavatra izay afaka hanova ny fiainako. Ny zavatra tokana nangatahiny tamiko dia ny hanokafako ny foko amin’ny fotoana izay hankanesako any."
"Nandeha tany amin’ny Senaklan’i Fanahy Masina aho teo amin’ny faha-15 taonako. Tsy mora ny nanafaka ahy, nefa naharitra aho satria fantatro fa tao sisa ny varavarana farany ho ahy. Rehefa nahafantatra izany ilay mpitazona ny trano fivarotan-tena dia nanomboka nomeny sakafo ratsy aho, rano avy tao amin’ny toeram-pivoahana, tsy navelany nandro aho, mba hahenohin’ny olona any am-piangonana  fa misy fofona aho, ka noho izany dia hanilikila ahy izy ireo. Nefa tsy nitranga izany satria ireo “assistants” tao dia nikarakara tsara ahy" hoy izy.
Tsy fantatro loatra izay toerana aleha, ka indraindray aho matory any amin’ilay tompon’ny trano fivarotan-tena, ka rehefa any aho dia hidina ao an-trano raha tsy izany dia mandeha matory eny amoron-dranomasin’i Botafogo aho mba ahafahako manatrika vavaka. "Rehefa mankany aminy aho, raha toa ka te hihinana sakafo tsara na hisotro rano mangatsiaka, dia tsy afaka mandeha any amin’ny Senaklan’i Fanahy Masina, nefa naharitra aho satria azoko antoka fa any no hiovan’ny fiainako" hoy izy.

Faharetana 
Teo am-pamaritana ny fiainany hiova, nangataka ary nahazo fanafahana i Barbara, nefa mbola nitoetra tao anatiny ny lolom-po ary tsy vitany ny mamela ireo izay nanao ratsy taminy. "Fotoana tena sarotra izany, tsy nisy làlana hafa intsony ho ahy. Nandray fitiavana be dia be avy tamin’ny "assis- tants" aho! Nandeha tany am-piangonana aho maloto, nefa na dia izany aza dia nofihinin’izy ireo aho ary nolazainy fa nalahelo ahy izy ireo. Izany dia nahatonga ahy nahatsapa fa nanan-danja aho. Natao batisan’ny rano aho. Satria moa aho mbola niaina teny an-dàlana, ny olona sasany dia nieritreritra fa tsy niova aho, no efa efa betsaka no vita ka teo aho no nanana fahafahana ny hamela. Avy eo, vita batisan’ny Fanahy Masina aho ary vitako ny nitia ireo rehetra nanao ratsy ahy sy ny fianakaviako" hoy izy.
Tao aorian’ny fiovam-pony dia nitana ny teny fampanantenany i Barbara ary nandeha naka ny zandriny. "Tsy nifankahita izahay raha tsy tamin’ny fotoana nangalany ahy. Nikarakara ahy izy ary androany, tena vehivavin’Andriamanitra izy. Ny fiainany dia fandresena avokoa" hoy ny zandriny, Cynthia. 

Vehivavy vaovao no teraka! 
Ny vadin’i Barbara, I Pasitera Claudio Oliveira (sary eo ambany), izay tamin’izay fotoana izay mbola tao anatin’ny fikambanan’ny Tanora dia nandinika ny toetran’ilay tovovavy ary nanaraka azy nandritran’ny fotoana nanafahana sy niovany fo. "Maro ireo olona izay nilaza tamiko fa tokony havelako izy, tamin’ny fotoana nahafantarany fa nanintona ahy izy satria ho vato eo amin’ny làlako hono izy. Nanomboka niresaka izahay, nivavaka ary satria moa mbola niaina teny an-dalàna izy, dia nangataka taminy aho mba andeha hipetraka any amin’ny rahavaviko" hoy izy.
Herintaona tao aorian’izay dia nivady izy ireo ary ankehitriny dia manompo an’Andriamanitra eny amin’ny alitara izy ireo. "Maniry aho hilaza amin’io tovolahy io, amin’io tovovavy io fa misy làlana handresena misy Andriamanitra izay afaka manafaka anao amin’izao toe-javatra izao, ao anatin’ny lavaka io, amin’ity fiainana feno fijaliana ity. Te hanome fiadana ho anao Izy ary izay no hananako androany" hoy iy am-pahatokisana.
Ho an’ny Eveka Edir, ny fijoroana vavolombelon’ Barbara dia manamporofo fa Andriamanitra dia afaka manova ny fiainan’ny rehetra na iza izy na iza, ary na inona na inona toe-javatra lalovany. "Ny Centre d’Accueil-ny FVKFM dia mino an’ireo izay mijaly, mitalao, mitaraina noho ny fanaintainana. Noho izany, ianao izay very, fantaro fa Andriamanitr’i Abrahama izay nanova ny fiainan’I Barbara dia afaka manao toy izany ihany koa ao amin’ny fiainanao"


********************


Témoignage de Barbara 
L’épouse du pasteur Claudio Oliveira, a raconté comment elle a rencontré Dieu et ce qu’était sa situation avant sa conversion. A l’âge de 13 ans, elle a vécu dans un foyer brisé, sa mère était une trafiquante de drogues et en faisait usage. Elle avait peur de perdre sa mère, de ce fait elle l’enfermait chez elle pour la protéger. "Elle était totalement viciée dans la cocaïne, elle buvait beaucoup et est devenue une lesbienne. J’ai assisté à tout cela et je n'ai jamais connu mon père. Nous étions seules, elle, ma sœur et moi", nous raconte-t-elle. 

La tragédie 
Mais tout l'effort de sa fille n’a pas été capable de la sauver de la mort. Un an plus tard, la mère de Barbara a été assassinée par des trafiquants. "Sa mort fut brutale. Ils abusèrent d’elle sexuellement, l’ont étranglée, l’ont abattue en lui tirant une balle dans la tête avec un pistolet de calibre 12 et ont fini par brûler son corps sur la voie publique. Je n’ai pas pu reconnaître son corps à l'Institut de Médecine Légale (IML), car il était totalement méconnaissable et j’étais à l’époque mineure", dit-elle.
La grand-mère de Barbara était morte, ainsi que chacun de ses cinq enfants. Comme ils n’ont pas eu d’enfants, après l'assassinat de sa mère, elle se retrouva totalement seule, sans famille ou proches, elle n’avait plus que sa sœur. 

CYNTHIA CRISTINA, la sœur de Barbara 
Seule sur le trottoir 
Elle se souvient également que peu de temps avant la mort de sa mère, Barbara a commencé à faire du trafic à sa place et, à l'âge de 14 ans, elle était déjà armée. «Après l'assassinat de ma mère, j'ai fui avec ma sœur (photo). A cette époque-là, je vivais avec un trafiquant de drogue qui était d'une autre bande. Après les funérailles, je me suis retrouvée assise avec ma sœur, sur le trottoir, sans savoir où aller. Comme nous sommes des enfants de pères différents, je l'ai emmenée chez ses grands-parents paternels et je suis allée vivre ma vie, mais je lui ai promis de revenir un jour la chercher. Je gardais en moi-même beaucoup de haine. Bien que je n’avais jamais tué personne, j’aimais voir les gens mourir. Je n'avais plus aucun sentiment pour tout être humain», se souvient-elle. "Une fois, j'ai vu une fille être brûlée vive. L’un des trafiquants lui a demandé à boire de l'essence et l’a incendiée. Je me souviens des cris de secours, des supplications de pardon de la jeune fille, mais dans le trafic c’est ainsi, qui trahit ou dénonce n’a pas de pardon, la mort est certaine et elle est prodiguée avec une grande cruauté", dit-elle. 

Sur les chemins de la prostitution 
A l'époque, la vie de Barbara a été totalement contrôlée par la haine. Avec une vie détruite et seule, à l’âge de 15 ans, elle est sortie de São Gonçalo, région métropolitaine de Rio de Janeiro, pour tenter d’avoir une nouvelle vie à Rio. "J’ai vécu des jours de tourment et des nuits infernales. Dans les bidonvilles il y a beaucoup de baraques où vivre, mais personne ne vous tend la main pour aider quelqu’un qui est dans le besoin", dit-elle. La famille de Barbara lui manquait, elle avait envie de mourir. A plusieurs reprises, elle nous relate avoir tenté de se suicider, cependant, en raison de la promesse faite à sa sœur, elle finissait par désister de cette idée. En arrivant à Copacabana, zone sud de Rio, encore bien jeune, Barbara fut sollicitée à entrer dans la prostitution, mais face à des filles plus expérimentés, elle recula. "Elles m'ont dit que mon corps ne pouvait pas supporter le «rythme du travail» parce que je devais coucher avec beaucoup d'hommes en une seule journée et pour cela, je devais snifer beaucoup de cocaïne pour supporter. Bien qu'ayant grandi dans un environnement où il y avait beaucoup de drogues, je n'ai jamais utilisé de la drogue, parce que j'avais peur de devenir viciée comme ma mère. Je n’ai pas accepté et je suis partie en courant. La maîtresse de maison m'a frappé et m’a dit que je n'avais pas besoin de faire des programmes, seulement répondre aux appels et faire la lessive de toutes les autres prostituées," dit-elle.

De l'eau glacée? Non, l’eau de la cuvette des toilettes 
"Après tant de souffrances, j'ai été évangélisée par un jeune homme, qui aujourd’hui est mort. Il s'était éloigné de l'Eglise, et m’a dit «je vais t’emmener dans un endroit qui va changer ta vie. La mienne n'a pas changé parce que je n'ai pas voulu, mais tu as besoin d'avoir cette opportunité.» J'y suis allée par considération, parce que je ne croyais pas que quelqu'un ou que quelque chose pouvait changer ma vie. La seule chose qu'il m'a demandée a été d'ouvrir mon cœur au moment où j’y serai", se souvient-elle. "Je suis allée au Cénacle du Saint-Esprit à l’âge de 15 ans. Ma délivrance n’a pas été facile, mais j'ai persévéré parce que je savais que là se trouvait ma dernière porte. Lorsque la tenancière de la maison close le découvrit, elle a commencé à me donner de la nourriture qui n’était plus bonne, de l'eau de la cuvette des toilettes, elle ne me laissait pas prendre de douche, afin que les gens de l’église sentent en moi une mauvaise odeur et ne m'acceptent pas. Mais cela n’est pas arrivé, car les ouvrières m'ont bien traitée." dit-elle. 
"Sans savoir où aller, je dormais parfois chez la tenancière de la maison close, où j’étais enfermée ou sinon je passais la nuit sur la plage de Botafogo afin de pouvoir assister aux réunions. Lorsque j’étais chez elle, si je voulais manger de la bonne nourriture ou boire de l'eau glacée, je ne pouvais pas aller au Cenacle du Saint-Esprit, mais j'ai persévéré, car j'étais sûre que c'était là, que ma vie allait changer.», souligne-t-elle.

La persévérance 
Déterminée à avoir sa vie transformée, Barbara a demandé et a obtenu la délivrance, cependant, ressentiment persistait et elle n’arrivait pas à pardonner ceux qui lui avaient fait tant de mal. "Ce fut un moment très difficile, il n'y avait aucun autre chemin pour moi. J’ai reçu beaucoup d'affection de la part des assistantes! J'allais à l’église sale et même ainsi elles m’enlaçaient et disaient que je leur manquais. Cela m’amenait à me sentir importante. J'ai été baptisée dans les eaux. Comme je vivais encore dans la rue, les autres personnes pensaient que je n'avais pas changé, mais beaucoup avait déjà été fait et c’est alors que j'ai été capable de pardonner. Ensuite, j'ai été baptisée du Saint-Esprit et j’ai réussi à aimer tous ceux qui m’ont fait du mal, à moi et à ma famille", dit-elle. 
Après sa conversion, Barbara a tenu sa promesse et est allée chercher sa sœur. "Nous ne nous sommes revues que lorsqu’elle est venue me chercher. Elle a pris soin de moi et aujourd'hui c’est une grande femme de Dieu. Sa vie n’est que victoires", explique sa sœur Cynthia. 

Une nouvelle femme est née! 
L’époux de Barbara, le pasteur Claudio Oliveira (photo ci-dessus), qui à l’époque était membre de la Force Jeune, a observé le comportement de la jeune femme et a accompagné le processus de sa délivrance et de sa conversion. "Beaucoup de gens, lorsqu’ils ont appris que je m’intéressais à elle, m’ont dit d'abandonner parce qu’elle allait être une pierre sur mon chemin. Ni même certaines personnes au sein de l'église ont cru que Dieu pouvait faire ce qu'Il a fait dans sa vie. Nous avons commencé à parler, à prier et comme elle vivait encore dans la rue, je lui ai demandé d'emménager chez ma sœur", dit-il. Environ un an plus tard, ils se sont mariés et maintenant ils servent Dieu sur l'autel. "Je souhaite juste dire à ce jeune homme, à cette jeune fille qu’il existe un chemin de victoire, il existe un Dieu qui peut vous retirer de cette situation, de ce trou, de cette vie de souffrance. Il veut vous donner la paix et c’est ce que j'ai aujourd'hui.", assure-t-elle. 
Pour l'Evêque Edir, le témoignage de Barbara prouve que Dieu peut changer la vie de qui que ce soit, quelle que soit la situation. "Le Centre d’Accueil de la FVKFM croit en ceux qui sont en train de souffrir, de gémir, hurlant de douleur. Alors vous qui êtes perdu, sachez que le Dieu d'Abraham qui a transformé la vie de Barbara, peut faire la même chose dans votre vie!"



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!