Mifampisintona amin’ny alalan’ny mason’ny fo ny olona anankiroa.
Raha vao manomboka miresaka izy ireo dia mahatsikaritra fahasamihafana goavana.
Fahasamihafana eo amin’ny finoana, ara- tsosialy sy ara-pivavahana, eo amin’ny lafin’ny taona, ny kolotsaina, ny fombam-pivavahana, ny fomba amam-panao, ary farany, eo amin’ny lafin’ny fisainana, zavatra maro mifanohitra izay hanasarotra ny fahombiazan’ny fiarahana.
Nefa, matoky ilay eritreritra adala hoe “ny fitiavana” dia mandresy ny zava-drehetra, izy ireo, ka mandroso amin’ny fiarahana.
Ny anton’ny antsoantso, mampitandrina ary manandrana manampy.
Na izany aza, ny fidoboky ny fo dia manapina ireo sofina, mampikipy ny maso, ary miredareda amin’ny lela afon’ny donam-po.
Tena mifindra ny fahafinaretana amin’io fotoana io ka mikombom-bava ny feon’ny fisainana.
Ny fiarahana ara-pitiavana rehetra, na dia kely indrindra aza ny fahasamihafana, dia mitaky fanaovana sorona.
Ary satria ny fo dia ivon-toeran’ny fientanam-po, tsy vonona na oviana na oviana izy ho amin’izany, ka sarotra ny fitazonana io fiarahana io.
Vokatr’izany, tonga ny fahadisoam-panantenana, ny famitahana, ny fieritreretana ny hamono tena, ny fandaovana ny ankizy sy ny tokantrano, ary farany dia manomboka miaina sombintsombin’ny afobe ireo mpivady. Rehefa tsy mifarana amin’ny tantara mahonena ny fanambadiana.
Ao anatin’ny ady eo amin’ny fisainana sy ny fientanam-po, dia ny fo foana no mahazo tombony.
Raha tsy hoe manana ny fanahin’i Jesosy Tompo sy manana fo vaovao izy.
Amin’ny tranga mifanohitra indray, ilay fo taloha no mandidy sy mampiteraka ahiahin’ny fiainana, ary mila fitahiana alohan’ny fotoana, valiny eo noho eo izay, matetika, tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Tena mahaliana fa, ny fon’ny jentilisa dia tsy te-hahalala izay voasoratra na tsia.
Mody tsy mahafantatra ny zava-drehetra, na dia Andriamanitra aza. Tsy mahita afa-tsy ny tenany izy.
Rehefa te hanatanteraka ny “nofinofiny” izy, ataony ao avokoa ny heriny rehetra ka tsy mahita fahasarotana izy.
Tsy mieritreritra izy, tsy manantena, tsy mihevitra ny ho vokany, ary farany, anjakan’ny fanahin’ny ahiahy tanteraka. Fa, rehefa very izy vao miantso an’Andriamanitra ary mila valiny eo noho eo.
Raha tsy voavaly amin’ny fotoany dia mandao ny finoana sy manome tsiny an’ Andriamanitra izy.
Izany no tadiavin’ny devoly amin’ny fanafihana manaraka. Ho an’ireo izay misaina ary miaina araka ny finoana, “Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany, dia tsy hotahiana any am-parany.” Ohabolana 20:21.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire