.

.

Ah! Izany Andro


ALAROBIA 30/03/2011
 
Tsy misy olona tokony hijery ny firoboroboan’ny hafa, na dia eo anivon’izy ireo aza misy olona izay tsy manana Finoana amin’Andriamanitra Velona. Inona moa no dikan’ny hoe manana fiara mitovy, trano mitovy, na koa aza tsaratsara kokoa noho izy ireo nefa mitovy aminy ihany ? Tsy hoe tsy tokony hanana ny tsara ianareo, fa irian’i Jesosy hiavaka ianao.
Tsy hanintona ny masony ianao amin’ny fananana zavatra mitovy amin’izay hananany. Satria maro ireo izay manana zavatra maro, fa tsy manana izay mety azonao ny faha-17.
Jesosy nilaza: Jaona 17:16 ”… tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao.” Afaka ho ao am-piangonana ianao, hanana finoana handrombahana ny rehetra, nefa mbola an’izao tontolo izao, satria tsy manana ny Fanahy Masina ianao.
Ao am-piangonana, nahita ohatra-na olona maro isika izay nandrombaka ny rehetra tamin’ny alalan’ny Finoana nefa avy eo, nahavery ny rehetra izy ireo satria tsy nanana ny Fanahy Masina ka tsy hay nosakanana ny fahaverezana. Ary ny ratsy indrindra dia tsy ny fahaverezana ara-materialy, fa ny fahaverezana ny famonjena. Daniela dia nanao ny faha samihafana teo anivon’ireo tao amin’ny tranon’ny mpanjaka satria nanana ny Fanahin’Andriamanitra izy.
Mety tsy nanana izay nananan’ny hafa teo amin’ny lafiny ara-materialy izy, fa ny mpanjaka Dariosy dia nahita fa niavaka izy. I Jesosy Tompo tsy maniry fotsiny hoe hanana izay hanan’ny hafa ianao, fa indrindra, ny hoe hampiavaka anao, ka ireo mahantra sy manan-karena eto amin’izao tontolo izao hahita Azy ao anatinao. Ary ny Fanahy Masina tokana ihany no afaka mampiavaka antsika amin’ny hafa.
Tao anatina fivoriam-bavaka iray dia nisy lehilahy iray niteny tamiko fa nanao sorona izy, tao anatin’ny Ezak’Israely farany teo, vola 40.000.000,00 voatokana hiviadianana trano, ho an’na “investissement”-na asa iray.
Tsy ny hoe ny fivelaran'ilay asany ihany, fa afaka nividy “appartemment’ tsara ihany koa izy.
Afaka manao zavatra mitovy amin’izay na mihaotra ve izy ho porofo fa ny Fanahy Masina dia ambonin’ny zavatra rehetra ho azy?
Amin’ny fihafaran’ny 21  andro fifadian-kanin’i Daniela, ny faha-17 aprily, rehefa haminany ireo Eveka, eo amin’ny tendrombohitr’i Ziona, any Jerosalema, ka hilaza hoe “Raiso ny Fanahy Masina!”, ireo rehetra izay ao anatin’ny “Cénacle”-ny Fanahy Masina dia ho feno ny Fanahy Masina ka hiteny hoe: “Ah! Izany Andro!
                                                                                 >  Lire en français

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!