.

.

Andro fahefatra amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Vehivavy fito sy lehilahy iray

«Ary amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; fa izao ihany no angatahinay: aoka hotononina amin’ny anaranao izahay, ka afaho ny tondromaso.»
Isaia 4.1

Amin’izany andro izany, dia mahakasika ny andro ankehitriny sy ny ho avy. Afaka hamarinina izany :
Nanala ny vehivavy tao an-tokantrano ho any amin’ny asa ny fivoarana ara-indostria.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia voatery ny vehivavy nianatra sy niomana misimisy kokoa.
Tsikelikely dia, nanomboka nifampizara andraikitra tamin’ny vadiny izy amin’ny adidy amin’ny ankohonana.
Izany dia nanala azy tamin’ilay fiankinana tamin’ny vadiny ary nametraka azy hitovy zo aminy, eo amin’ny fanapahan-kevitra ao an-tokantrano.
Lasa nahaleo tena izy, ary lohany tahaka ny vadiny. Naka ampahany tamin’ilay fahefana, izay natokana ho an’ny lehilahy, ka tonga mpiara-mitantana, ary manan-jo ho lohany ihany koa.
Nanomboka tamin’izany dia, manana mpitondra roa ny ankohonana. Ary amin’ny fitsimbadihan’ny toe-javatra, na ho ela na ho haingana, ny lehilahy dia haka ny toeran’ny vehivavy ao an-trano, ary ny vehivavy haka ny toeran’ny lehilahy any am-piasana.
Ny saran’ny fandrosoan’ny vehivavy dia ny fihemoran’ny lehilahy.
Tena tsara!? Mahafinaritra !? Fa ohatr’inona ny vidin’izany?
Tahaka ny hoe mandeha ho azy ny zava-drehetra.
Fa handeha ho aiza moa? Hatraiza ilay fanaka malemy no hizaka ny vesatry ny andraikitra izay nataon-dralehilahy hatramin’izao ?
Ao amin’ny teny faminaniana, ireo vehivavy fito dia manambara ireo vehivavy amin’ny andro ankehitriny. Andro izay mialoha ny fiverenan’i Jesosy Kristy Tompo. Afaka ny vehivavy, mahaleo tena, ary loham-pianakaviana.
Mahavita tena izy ireo ary saika manana izay ilainy rehetra koa.
Inona ary sisa no horombahiny?
Ny hany sisa horombahiny dia ny hamerina indray ilay olona izay nesoriny teo amin’ ny toerany: ny Lehilahy.
Manomboka izao, ary rehefa mandeha ny fotoana, ny Lehilahy, miaraka amin’ny “L” sora-baventy, dia tena ho sarotra ny mahita azy, tahaka ny voahangy mainty.
Ary raha mahita Lehilahy anankiray ny vehivavy, dia hitolo-tena, hanetry tena ary hitalaho aminy mba hanalany ny tondromaso, ary mba hanana zo hotononina amin’ny anarany.
Mazava ho azy fa io faminaniana io dia tsy mahakasika ny virijiny hendry, ireo izay nateraky ny Fanahy Masina.
Tsy misy faminaniana manameloka mahakasika ireo mpino an’i Jesosy Tompo. Satria, tahaka ny tany Egipta, voaaro tamin’ny loza folo ny zanak’i Isiraely, ireo izay nateraky ny Fanahy dia ho voaaro amin’izao andro maizina izao.
Izany no mahatonga ny hoe ilaina ny fiainantsika hiova endrika tanteraka, araka ny ohatr’i Jesosy Tompo teo amin’ny tendrombohitra Tabor.
Aoka ianareo ho afaka amin’ny fanahin’ny tebiteby, amin’ny Anaran’i Jesosy Tompo.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!