Dadabe Noely
Mahira-tsaina avokoa ny olombelona rehetra. Ny sasany marani-tsaina kokoa, ny sasany kosa, tsy dia mahira-tsaina noho ny hafa.
Fa ny rehetra dia afaka miatrika ireo fahasarotana ary mandresy ny fanamby manokana ho azy avy ireo.
Tsy mitombina ny fialan-tsiny noho ny tsy fisian’ny fahafahana, rehefa tsikaritra fa ny fototry ny tsy fahombiazana dia ao amin’ilay tolona ao anaty.
Ny tiako holazaina amin’izany dia ilay fifandonana tsy an-kijanona eo amin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po, na ny fisainana sy ny fientanam-po, na ny saina sy ny fanahy.
“Tsy misy afaka hanompo tompo roa.”
Tsy azontsika atao ny mamaly ny antson’ny fisainana sy ny sitrapo, raha tsy misy ny ady mafy.
Tompo roa ireo, loha roa, fahefana roa.
“Fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny.” Matio 6:24.
Tsy misy fomba handosirana amin’io ady ao anaty io raha tsy ny fanaovana sorona ny iray amin’izy roa.
Tsy misy fifanatonana eo amin’izy roa ireo. Mifanohitra ireo.
Manana tombontsoa samy hafa ireo. Ny fisainana dia mieritreritra, mandanjalanja, mihevitra lalina, manombana ny vokany, mamaritra, ary mazava ho azy, maka fotoana kely hanapahan-kevitra. Tsy maika, tsy mikorontan-tsaina eo am- piandrasana. Manana fahamatorana izy ary manana traikefa.
Rehefa mankato ny Tenin’Andriamanitra ny fisainana, dia mampiasa finoana ary miaina am-piankinana tanteraka amin’Andriamanitra.
Fa tsy toa izany kosa no mitranga eo amin’ny fo.
Tsy azo ifanarahana izy, maika, tsy mailo, tsy mahatombina, tsy mihevitra ny vokany, manapa-kevitra tsy am-pieritreretana ary midi-kizo foana.
Tahaka ny zaza izy, tsy manam-pahamatorana, tsy manana fahitana ara-panahy, tsy mahatsikaritra ny loza mety hitranga, izany hoe mino ny Dadabe Noely...
Nefa noho izany no antony mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy sambatra eo amin’ny fiainana ara-pitiavana.
Mitolo-tena mora foana amin’izay olona mitafy ny akanjon’ny Dadabe Noely.
Ny marina dia, raha tsy misy ny fiovana anaty, dia maharitra mandra-pahafaty ny fifandonana eo amin’ny fisainana sy ny fo.
Ary ny vokatr’izany dia: tsy fahombiazana eo amin’ny asa, fahadisoam-panantenana ara-pitiavana, fikorontanan-tsaina, alahelo, olana ara- pahasalamana sns...Izany rehetra izany dia noho ny fihetseham-po feno fihetsiketsehana.
Raha tsy mino ianao dia, diniho tsara ny tenanao ary sintony avy ao ny lesona ho anao.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire