Ny sarom-bilany
Noho ny tsy fahampian’ny fahaizana manavaka, ny misitery ny finoana dia mametraka ao anaty fikorotanan-tsaina sy mandiso fanantenana ireo izay tsy voaova.
I Petera dia nanam-pinoana ny nandeha teo ambonin’ny rano, fa tsy nanam-pinoana kosa ny nitsangana teo amboniny. Fa maninona no mitranga izany?
Satria misy karazany roa ny finoana: ny finoana ara-pisainana sy ny finoana arahina fientanam-po.
Ny finoana ara-pisainana dia mandinika, mifanaraka tsara aminy ary mandray fanapahan-kevitra mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary tsy misahirana amin’izay tsapany izy na tsia.
Amin’ny lafiny iray, ny finoana miharo fientanam-po dia mamadika ny Soratra Masina ho fientanam-po. Azo eritreretina toy ny hoe tsy mitombina izany, kanefa izany no matetika mitranga amin’izao vaninandrotsika izao.
Rehefa ny finoana mihoatra ny ara-boajanahary no tsy arahina fahiratan-tsaina, ilay fanirian’ny fo no manjaka ary ny vokany dia kely sady tsy misy dikany.
Ny miharo fientanam-po dia mifototra amin’ny famantarana fanasitranana sy fahagagana.
Ary ny vokatr’izany dia, “manam-pinoana” ilay olona mandritry ny fotoana kely fotsiny. Nefa, rehefa mandalo ao anaty tafio-drivotra izy dia, mandao ny “finoany”. Izany no antony ahitantsika hoe maro ireo pasitera taloha, assistant taloha, mpivavaka taloha, vadina pasitera taloha, olona izay nino teo aloha, olona izay efa voavonjy, kristinanina taloha…
I Petera dia anisany nanana izany karazam-pinoana izany. Satria nahita an’i Jesosy nandeha tambonin’ny rano izy, dia nanam-pinoana ny nanao izany ihany koa. Ary dia nataony izany, fa nandritry ny fotoana kely fotsiny.
Torak’izany ihany koa no mitranga amin’ireo izay manana finoana arahina fientanam-po. Mandeha miaraka amin’i Jesosy mandritry ny fotoana kely fotsiny izy, ary rehefa mahatsapa ny tena fahambangan’ilay sarom-bilany izy dia, miredareda ny afo ao anatin’ny fony ary mianjera izy amin’ilay olona voalohany izay manatona azy. Satria tena diso fanantenana tanteraka izy ka dia mitady kitay hitazonana ilay afo hirehitra hatrany.
Etsy andaniny kosa, ny Hendry dia manao zavatra mifanohitra amin’izany. Mampiasa ny sainy izy. Ary ireo izay mampiasa ny sainy dia tsy afa-po amin’ny zavatra kely. Manana fomba fijery lehibe izy ireo. Ny fomba fieritreretany dia mitovy haavo amin’ny fomba fieritreretan’ilay Avo Indrindra.
Ireo izay mampiasa finoana ara-pisainana dia mandinika, mihevitra ary manana drafitra mba hahantanterahan’ny nofinofiny, ary manana antoka ny amin’ny ho aviny izay manomboka amin’izao.
Tsy mila zavatra izay mitranga eo no eo izy, ary tsy misahiran-tsaina amin’izany ” raha tsy mijery izay hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” 2 Korintianina 4:18
Ny Hendry dia mahay manavaka. Fantany fa ny manangana trano eo ambonin’ny fasika dia sady mora no haingana, kanefa tsy azo antoka.
Ilay fahamailony arahina fandinihana dia manosika azy ny hisafidy ny hanorina ny tranony eo ambon’ny vatolampy.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire