Ny Fanjakan’ny Lanitra dia natao ho an’ireo izay manao sorona
Ireo mpamaky dia mety manontany tena hoe maninona izahay no misisika miresaka momba ny sorona. Mora kokoa mantsy ny tsy miresaka momba ny sorona. Tsy hoe maniry ny ho voatsikera izahay, ireo hafatra dia ho maivana kokoa, sady hamalifaly ireo Grika sy Romana izahay ary tsy misy olona hahatsirao-tena ho voakitikitika.
Na dia izany aza, satria izahay tsy miasa araka ny fitsipika izay apetrak’izao tontolo izao, izahay akory tsy mpanao dokam-barotra ny Tenin’Andriamanitra ary tsy mivelona amin’ny fivarotam-boky, izahay koa dia tsy mihazakazaka ho an’ny fitondrana ara-politika ary ihany koa tsy mieritreritra ny hanintona ireo olona hanaraka fombafomba, izahay dia nifidy ny hanaraka izay ainga-panahy avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary koa hanambara am-pahibemaso ny fahamarinana mba hanafaka ny vahoaka.
Ireo izay mino, dia miroso. Ireo izay tsy mino kosa, mijanona any aoriana miaraka amin’ireo virjiny adala.Ny tena marina dia, raha tsy vonoina eo ny eo ny fahotana, dia mamono tsikelikely ilay mpanota izy man-drapahafatiny. Maro ny olona, na Kristiana izany na tsy Kristiana, izay mitaraina ka tsy mahalala akory hoe ahoana no hialany amin’io fimonomonomana io.
Ny fanahin’ny fahotana dia mandrakotra ny olombelona ka mitondra azy ireo any amin’ny fiainana tsy misy endrika. Na maro aza ireo olona izay mahalala ireo hira Evanjelika, vitsy no manana fahasahiana ny mampiatra sy mialoka amin’ Andriamanitra. Aleon’ ny ankamaroan’ny olona mifikitra amin’ny hafatra ho an’ny famonjena mba tsy hiresahana momba ny soron’ny nofo.
Mandritra izany fotoana izany, ny fanahy mpamitaka sy ny fanahin’ny antikrisity dia malalaka tsra hiasa, hitondra fijaliana tsy an-kijanona ho an’ireo izay mino an’Andriamanitra. Izao vaninandro iainantsika izao dia tsy hoe samihafa loatra tamin’ny vaninandron’i Jaona Mpanao Batisa. Tamin’izany fotoana izany, tsy vitan’ny hoe nitory ny momba ny fibebahana izy fa, nitarika ireo Jiosy manana fahatsoram-po mba hiaiky sy handao ny fahotany ihany koa. Matio 3:1-10
Amin’izao fotoana izao, tsy izany ihany koa ve no sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao? Inona moa no antony hitadiavana ny fanampiana avy amin’Andriamanitra any am-piangonana raha toa ianao ka mbola mitohy miaina ao anatin’ny fijanganjangana, fahavetavetana, halatra, lainga, sns…
Iza no heverinao ho fitahina amin’izany?
Inona no eritreretinao ho tanterahina?
Hafiriana no mbola hitazonanao izany fanahin’ny fahotana izany ao anatinao ao?
Ny fahotana dia fanahy. Na iza na iza manaiky ny fahotana; dia manaiky ny fanahy.
Ahoana moa no fomba hivoahana ao amin’io fonja io?
Ataovy sorona ny nofonao mandra-pahafatin’ilay hanoanana azy.
Mazava ho azy!
Raha manao sorona ny nofonao ianao, aiza moa no hitoeran’ny fanahin’ny fahotana?
Raha maniry valiny eo no ho eo avy amin’Andriamanitra ianao, aoka hanao sorona aminy eo no ho eo. Kanefa, raha tsy mahafoy ny fijanganjanagana,ny fampirafesana, ny lainga, ny halatra, ny kolikoly sy izay rehetra ankasitrahan’ny devoly, ahoana moa no hieritreretanao handraisana ny Fanahin’Andraimanitra mba hiasa eo amin’ny fiainanao?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire