Ny tsy fahampiana diloilo
Mampalahelo fa betsaka ny olona no mihevitra hoe ny alitara dia toerana iray izay azo antoka fa tsy toerana fanaovana sorona hatrany.
Mahatsapa-tena ho “voaaro” izy ireo rehefa eo amin’ny alitara (izay miainga avy amin’ny fihetseham-po miampanga ny tenany), mba tsy ho hahafantaran’ny hafa ny momba azy ara- panahyTahaka ny hoe ny alitara dia hanome antoka azy ireo mandra-pahafaty, na koa hoe tsy tokony hitolona ho an’ny famonjeny isa n’andro intsony izy ireo. Diso izany ka mampalahelo!
Herinandro vitsivitsy lasa izay nisy zava-nitranga anankiray tiako hambara ho fampitandremana ireo izay ao anaty toe-javatra tahaka izao. Satria mbola tsy nateraky ny Fanahy Masina ilay vadina pasitera, nampirafy ny vadiny izy rehefa fito taona no nanambadiany. Ny vadiny dia nanolo-tena, sady namana sy sakaiza mahatoky teo anatrehan’ Andriamanitra ary koa teo anatrehan’ny vadiny. Inona moa no afaka angatahin’ny vehivavy amin’ny vadiny mihoatra izany?
Fa tsy fantatro aloha ny antony nampihodina ny lohany. Voatosiky ny fanahin’ny filàna izy ka nifehy azy, ka tsy nieritreritra izy fa ny fahafatesana ara-batana sy/na ara-panahy no vokatry ny fahotana. Ilay vadiny dia nisaraka taminy avy hatrany. Rehefa tsy nisy toerana haleha izy, tsy misy làlana ivoahana, niverina tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny izy.
Nanenina mafy izy ka tonga nitaraina tamin’ilay vadin’ny Eveka izay niandraikitra azy, nangataka fanampiana. Tonga izy nitady fanohanana, sy fahazoana antoka izay novereziny. Tonga ”nindrana diloilo” tamina olona izay fantany fa manana diloilo izy. Vonona izy ny hanaiky izay asa homena azy sy ny zavatra izay hampanaovina azy mba hahafahany ho eo akaikin’ilay toerana taloha “toerana iray izay misy ny fiarovana“. Toerana iray izay nanome azy fiadanana indray andro, ka very.
Ilay vadina Eveka dia naniry ny hanampy, nefa tsy te hanakana ihany koa ny fiasan’ny Fanahy Masina. Noho izany niteny izy manao hoe: ”Tadidinao ve ny tantaran’ireo virjiny 5 adala? Eny ary, rehefa niverina ilay mpampiaka-bady, lany ny diloilo. Lasa izy ireo nangataka diloilo teny amin’ireo virjiny hendry . Dia ahoana moa no navalin’izy ireo?... ”tsy afaka manome anareo diloilo izahay satria tsy ho ampy anay ihany koa ity diloilo ity. Mandehana eny amin’ny mpivarotra mividy“. Saingy efa akaiky ny fotoana dia voahidy tany ivelany izy ireo.”
Toy izao no namaranan’ilay vadina Eveka azy: “Tsy afaka homeko anao ny diloilo avy amin’ny fitoeranjiroko. Mandehana mitady dieny mbola misy ny fotoana. Aoka ianao hitandrina tsara mba tsy ho lany ny diloilonao rehefa tonga ny mpampiakatra.”
Aoka ho takatrao tsara, ny fiasan’Andriamanitra dia tsy mifototra amin’ny fientanam-po. Tsia! Rehefa tonga ny farany, tsy ”hihantra” ireo izay mandodona any ivelan’ny vavahady Izy. Amin’izao fotoana izao, mbola manana fotoana ny andehanana ianao ka ividianana mihoatra, ary aoka ianao hanan-karena ara-panahy. Sa tsy hitanao fa efa miha lany ny diloilonao? Efa miha lany izany!
Fa maninona moa ny ankamaroan’ny olona no rehefa lany ny diloilo vao mahatsikaritra izy hoe mila manampy diloilo izy - rehefa tsy misy na dia goute kely aza? Betsaka no mandray diso ny amin’ny hoe”fahazoana aina” satria hoe akaikin’ny alitara izy ireo. Ny fahajambana ara-panahy dia mampaka fanahy ny olona hieritreritra fa afaka milalao amin‘ny filany izy ka tsy mihevitra hoe mety hiteraka zaza vokatry ny ota izy. Jakoba 1-14-15
Rehefa manota isika dia very ireo zo izay nananantsika indray andro. Fandaniam-potoana ny mitaraina, ny mihemotra na ny manamari-tena…Ireo izay manaiky an’Jesosy irery ihany sy miaiky hoe iza marina izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra, sy eo anatrehan’ny olombelona, no afaka mandray ny HERY HO TONGA zanak’Andriamanitra. Izy ireo no handray ny Fanahy Masina sy ny Hosotra avy aminy.
Na ho ela na ho haingana ny tsy fahampiana diloilo dia hampandodona ireo adala eny ambaravaran’olon-kafa.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire