Inona no foinao homena ho takalon’ny fanahinao?
Tahaka ny hoe ny sorona ara-materialy dia mitondra ho amin’ny fitahina ara-materialy, ny sorona ara-panahy ihany koa dia mitondra ho amin’ny fitahiana ara-panahy.
Andriamanitra dia manasa ireo izay mino mba hizaha toetra Azy amin’ireo fahafolon-karena sy ny fanatitra. Ho takalon’izay kosa, mampanantena Izy no hanokatra ny varavaran’ny lanitra ka hampidina fitahiana manana amby ampy, ka handrahoana mafy ny fanahy mpadroba Izy. Malakia 3:10
Toy izany koa, i Jesosy dia nampanantena fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mandà ny tenany, hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka Azy isan’andro.
Matio 16:24
Matio 16:24
Amin’ireo tranga roa ireo, ilaina ny manao sorona. Kanefa, i apostoly Paoly dia nahatakatra izany tamin’ny fomba lavitra, rehefa notarihan’ny Fanahy izy, ka nanao hoe:
“Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra, dia fanopoam-pananhy mety hataonareo izany.” Romana 12-1
Izany dia midika fa rehefa tsy misy sorona velona, masina, ary tsy ankasitrahan’ Andriamanitra, dia tsy misy ihany koa ny fihetsika ara-panahy na fiderana( tadidio: ny ara-panahy = ara-pisainana). Amin’ny lafiny iray kosa, maro ireo hira fiderana izay mifono hafatra momba ny fitiavana, ka fiderana arahina fitentanam-po no mameno ny olona miaraka amina fahatsapan-pifaliana.
Ny sasany dia milaza ho mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra, ny sasany kosa “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ary “maminany” mihitsy aza. Mihondikodina, mianjera amin’ny tany sy mandeha amin’ny lohalika aza efa tsy lazaina intsony. Raha mba nanana fitondra-tena mahafinaritra izy ireo, mety tsy dia hisy dikana loatra angamba izany. Kanefa dia mifanohitra amin’izany no mitranga, ny fiainany dia feno tsy fahombiazana tanteraka: tokantrano rava, fijanganjangana, pedofilia, fahavetavetahana, mifamono, fizarazarana - raha fehezina dia, fanjakana avy amin’ ny aizina.
Inona no mahatonga izany? Satria ny fomba fiderana ara-panahy dia tsy misy fandinihana, tsy miaro fahiratantsaina ary tsy misy fahatongavan-tsaina. Ahoana moa no ahafahan’ilay Nahary mankasitraka hetsi-piderana miharo fientanam-po toy izany raha toa ka Fahatongavan-tsaina, Fahirantan-tsaina ary Fahendrena Izy?
Ireo hetsika miharo fientanam-po dia mitovy amin’ny “carnaval”.
Ireo mpandray anjara dia mitafy sy manao saro-tava mba hanafenany ny fihatsaram-belatsihiny sy ny asan’ny nofony.
Iza no afaka mandrindra izany fitaka ara-panahy izany ?
Raha ny marina dia, rehefa tsy misy ny hetsika ara-panahy handinihana (Fandinihana) dia fihetisky ny nofo arahina fihetseham-po no hiderana.
“Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: fijanganjangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahanfitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Galatiana 5:19-21
Mahaliana tokoa ny manamarika fa i Paoly dia nangataka, nilaza ary nitalaho ireo mpianatr’i Jesosy Tompo ny hideran’izy ireo amin’ny fomba ara-panahy na koa amin’ny fomba miharo fandinihana, ka mitaky ny nofontsika mba ho sorona velona, masina ary ankasitrahan’ Andriamanitra. Izany hoe, ny fanomezam-boninahitra, ny fiderana sy ny mandinika ny Tompo isika dia tokony atao amin’ny fomba miharo fahiratan-tsaina na aiza na aiza misy antsika.
Raha ny tokony ho izy, ny olona tsirairay ao am-piangonana dia mitovy finona sy Fanahy. Noho izany, ny fomba fiderana ara-panahy dia tokony hitovy. Misy ireo hira fiderana, sy fanambarana ataon’ny tsirairay mba hanandratana ny Tompo sy Mpamonjy antsika.
Ny sasany midera, ary ny sasany kosa dia manome voninahitra, ary ny hafa dia mandinika ny tavan’ilay Tsitoha. Amin’izay ny zavatra rehetra dia mipetraka amin’ny toerany tsirairay avy ary misy fitsipika arahina.
Na aiza na aiza misy izany fahalalahana izany, ny Fanahy Masina dia mampianatra, manome haingam-panahy ary mitarika ho amin’ny fiderana, fitsaohana sy fibanjinana ny Zanany an-kalalahana, tsy an-katerena, ary amin’ny fomba tsotra.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire