.

.

Andro faharoa ambin'ny folo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Hafatra ho an’ireo MAHERY FO

Tsy mino loatra aho hoe Andriamanitra hitaky ivo-pinoana amin’ireo zanany ambonin’izay efa nomeny azy ireo !
Ireo rehetra te hahafantatra ny fetra ambony indrindra ny amin’ny finoany dia mila mijery hoe hatraiza ny fara-pahavononany manao sorona.

Izany no nahatonga an’i Jesosy nilaza manao hoe : Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany (sorona) sy hitondra ny hazo fijaliany (sorona) ka hanaraka Ahy (sorona). Matio 16 : 24
Toy izany ihany koa no mitranga eo amin’ny fiainana ara-pitiavana. Ireo izay te hahafantatra marina ny tena fitiavany marina ho an’ilay olon-tiany, dia mila mandinika hoe hatraiza ny fara-pahavononany manao sorona ho azy ireo.
Ny haben’ny finoana dia voafatra amin’ny alalan’ny sorona izay atao.
Ireo izay tsy mino, dia tsy manao sorona;
Ireo izay mino eo amin’ny an-tsasany, dia manao sorona eo amin’ny an-tsasany;
Ireo izay mino 100%, dia manao sorona 100%.
Tsy izany ve no navalin’i Jesosy tamin’ireo mpiatsara-velatsihy?
“Mihainoa, ry Isiraely, JEHOVAH Andriamanitsika dia JEHOVAH iray ihany. Koa tiava an’i JEHOVAH Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny sainao rehetra, ary ny herinao rehetra. Marka 1: 29-30.
Izao no tena tiako hambara:
Izay rehetra mino amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo, amin’ny sainy manontolo ary amin’ny heriny manontolo dia hanao sorona amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo, amin’ny sainy manontolo ary amin’ny heriny manontolo.
Takatrao ve ilay tiana hampitaina?
Izany hoe:
Ataovy sorona ny fonao;
Ataovy sorona ny fanahinao;
Ataovy sorona ny sainao;
Ataovy sorona ny herinao.
Izany no marina.Tsy misy zavatra azo hanampiana izany ary tsy misy analana ihany koa. Mafy, sarotra ny manao izany fa izany anefa no zava-marina.
Izay rehetra maniry ny hahazo zavatra avy amin’Andriamanitra (ny Fanahin’Andriamanitra) dia mila manao sorona tanteraka ny fony, ny fanahiny, ny sainy ary ny heriny rehetra.
Ny rehetra avy amintsika no takalon’ny rehetra avy amin’Andriamanitra.
NY REHETRA no takalon’ny REHETRA!
Vonona ve ianao hanao izany?
Hanampiako izany, ireo izay mino dia tsy manome fialan-tsiny, izy ireo dia manao sorona.
Fa ireo izay tsy mino kosa, mitady zavatra hanamarinana ny tsy finoany amin’ny alalan’ny fialan-tsiny sy fanomezan-tsiny ny hafa.
Ary nisy mpanapaka iray nanontany Azy manao hoe, ”Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? ” Fa hoy jesosy taminy,”Nahoana aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia, Andriamanitra. Fantatrao ny didy hoe: “Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mpandainga, Mananjà ny rainao sy ny reninao.” Ary hoy kosa izy ”Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.” Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: “Mbola diso zavatra iray loha hianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo (sorona), dia hanana rakitra any an-danitra  hianao; ary avia, manaraha Ahy (sorona). Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra (miteraka alahelo ny sorona); fa nanan-karena dia nanan-karena izy. Lioka 18.18:23
Ny sorona dia miteraka alahelo ho an’ireo izay manao sorona, kanefa maneho ny hatsaran’ny finoana amin’Ilay mandray ilay sorona.
Ary ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ny olona , ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra (sorona), dia nividy izany saha izany. Matio 13:44
Araka ny hitanao, ny finoana madio dia ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Finoana dia mitaky fanakatoavana.Ary ny fankatoavana dia mivaingana amin’ny alalan’ny sorona. Tsy misy ny fankatoavana raha tsy misy ny sorona.
I Abrahama no ohatra lehibe ny amin’ny fankatoavana. Hebreo 11-8-17
“Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?” Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa? Ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ”Ary Abrahama nino an’Andriamanitra (nampiasa ny finoany ary nanao sorona)ka nisaina ho fahamarinany izany”, ary natao hoe sakaizan’Andriamanitra izy. Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny  asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany. Jakoba 2.20-24
Ho fehiny izany rehetra izany: Ny finoana tsy arahina sorona dia tsy manamarina (mamindra-fo)na iza na iza eo anatrehan’Andriamanitra.
Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny mpino mianjera eo amin’ny lafiny ara-panahy sy eo amin’ny fiainana ara-materialy.Manaiky an’i Jesosy tahaka ny hoe mpamonjy izy ireo, fa tsy tahaka ny Tompo. Raha i Jesosy marina no Tompony, nanao sorona ny ainy izy ireo mba hanompo azy amin’ny fony, fanahiny, ny sainy ary ny heriny manontolo.
Noho izany, henoy ry Isiraely ô amin’izao andro farany izao, i Jesosy Kristy dia Tompo sy Mpamonjy ho an’IREO izay manompo Azy MARINA ihany!
Tompo ô, jereo izay manana fahatsoram-po, nefa voafitaka, ary omeo fahafahana vaovao indray izy ireo.Izany no hitalahoako Aminao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo!

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!