Sorona hatrany hatrany ny FIAINANA
Efa hatramin’ny fotoana fahagola ny vahoaka no efa nahafantatra ny atao hoe sorona. Efa nanomboka tao amin’ny saha - Edena izany. Ilay Tsitoha dia tsy maintsy nanao sorona biby mba hanafenana ny fitanjahan’i Adama sy Eva, ny antony dia nanoloana ny ravin’aviavy, izay hevitra avy amin’ny devoly.
Ireo ravin’aviavy dia manambara fomba fivavahana mba hanafenana ny fitanjahana ary tsy misy sorona. Amin’ny ankapobeany, na ireo fiangonana evanjlika aza dia manao toy izany koa. Mitady ny hampivelatra ny varavaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra izy ireo miaraka amina foto-kevitra izay tsy misy sorona. Nisy fomba hafa afaka nataon’ny Tompo mba hanafenana ny fitanjahan’i Adama sy Eva raha tsy tamin’ny alalan’ny famonoana biby ve? Raha nisy izany dia nataony.
Nisy fomba hafa namonjena ny olombelona ve raha tsy tamin’ny sorona an’i Jesosy? Raha nisy izany dia notanterahany .
Araky ny hitanao, ny sorona dia tsy safidy. Rehefa manapa-kevitra ny hanantanteraka zavatra ianao eo amin’ny fiainanao, tsy maintsy manokatra ny tànanao ianao ary manao sorona.
Ny mpangalatra dia mandà ny sorona. Aleony miroborobo amin’ny alalan’ny sorona izay ataon’ny olon-kafa.Nefa na dia tsy fantany aza, manao vy very ny ainy sy ny fiainany mihitsy aza izy ny amin’izany noho ny fangalarana. Moa tsy sorona ihany koa ve izany?
Aleon’ny mpamono olona iray mamono ny fahavalony toy izay mamela heloka azy na mamela azy ho velona.
Ny olona anankiray izay manana ny hambon-pony dia misafidy ny hifikitra amin’ny avonavonany toy izay manetri-tena sy miala-tsiny.
Tsy misy vahaolana hafa ankoatran’izany!
Tsy misy lafiny eo amin’ny fiainantsika na an-davanandro izany na ara-panahy izay tsy anaovana sorona.Mba ahazoana asa tsara any aoriana any, ilaina ny mianatra; Mba handraisana karama isam-bolana, ilaina ny miasa; Mba hihazohana fanambadiana milamina, ny mpivady dia mila manao sorona; Mba hahafahana manana fihaonana amin’ Andriamanitra, ilainao ny manao sorona ny sitrapon’ny nofonao; Mba hahafahanao maharitra ao amin’ny finoana, ilainao ny manao sorona ny sitraponao; Mba handraisana ny fanahinao ny famonjena mandrakizay, mila misorona isan’andro ianao.
Jesosy dia nilaza «…Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy (sorona)noho ny amiko, dia hahazo izany».
Matio 16 :25
Rehefa misy hetsika ara-panatanjahantena, matetika ireo mpanao athleta dia manao mariky ny hazo fijaliana alohan’ny hidirana eo amin’ny kianja. Izany hoe, mivavaka izy ireo mba tsy hisian’ny loza sy handresen’izy ireo. Ny sasany indray dia manatona mpanao fanafody sy mpisikidy.
Tena nandaitra sy nilain’ireo firenena andeha hiady tokoa ny sorona hany ka ireo pretra dia voatery nanao sorona, hatramin’ny ankizy aza, mba hisintomana ny fijerin’ireo andriamaniny.
Ny boky izay misy ny tantaran’ny vahoakan’Israely dia milaza fa ny sorona tokana ihany no namonjy azy ireo.
Na dia nanao fifanekena aza izy ireo, na dia vahoaka voafidy aza izy ireo, na dia nahazo ireo teny fampanantenana aza, ary ambonin’izay, na dia nanana razam-be izay nanam-pinoana, marina ary nanana fifanekena tamin’Andriamanitra aza, tamin’ny fotoana nilàna izany, tsy maintsy nanao sorona izy ireo mba hahavelomany.
Rehefa niady tamin’ny Filistina, voatery i Saoly noho ny zava-misy, ka tsy nankato ilay mpaminany Samoela ka nanao sorona mba hihazonany ny miaramilany tsy handao azy. I Samolea 13.8-14
Tsy nanana alalana ny hanao sorona izy fa anjaran’ny pretra ihany izany. Nefa, namporisihan’ny fanahin’ny tahotra izy hanao izany. Izany no antony nanenenan’ Andriamanitra nanao azy ho mpanjaka.
Tamin’izany fotoan’izany, rehefa nisorona izy ireo alohan’ny nandehanana nitolona, nanana antoka ny fandreseny izy ireo. Raha nahafantatra izany ireo tafika izay voatendry hiady amin’ny fahavalony, nanana antoka ny fandreseny izy ireo.
Fantatr’izy ireo fa ny tsiambaratelon’ny fandresen’izy ireo dia ny sorona izay nataony tamin’Andriamaniny.
Ny devoly sy ny zanany dia mankahala ny sorona. Na dia niteny manao hoe aza Jesosy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy” (Matio 16:24), Ireo rahalahitsika ve nino izany?.
Raha tsy vonona ianao ny hanaraka izany didy izany, tsy misy tombony ho anao ny hanekena an’i Jesosy tahaka ny Tomponao sy ny Mpamonjy anao. Jesosy Tompo dia mitaky ivona sorona telo:
Voalohany: Lavo ny tenano,
Faharoa: Lanjao ny hazo fijalianao ka
Fahatelo: Avia hanaraka ahy
Iza amin’ireo telo ireo no mora indrindra? Tsy misy .
Ireo rehetra ireo dia mitaky sorona avokoa, sorona miampy sorona.
Ho an’ireo izay mino, mandrosoa. Ho an’ireo izay tsy mino, mijanona any afara miaraka amin’ireo virjiny adala. Matio 25:1-13
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire