.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Isaky ny mahavita asa ianao ao anatin’ity vinavina ity dia mitombo sy mivoatra ao anatin’ny lafiny 5 farafahakeliny eo amin’ny fiainanao. Tsy ho ela, ny sasany amin’ ireo asa ireo dia ho tonga fahazarana tsara ka hahatonga anao ho olona tena mahomby.



Sabotsy androany. Mamarita fotoana ao anatin’ny fandaharam-potoanao, hiarahanao manokana amin’Andriamanitra, tahaka ny hoe nifanome fotoana ianareo. Mitadiava toerana mitokana, vonoy ny finday, angataho ny olona mba tsy hanelingelina anao. Ento miaraka aminao ny Baibolinao, ary amin’io fotoana io dia mamakia andinin-teny ao ka miresaha amin’Andriamanitra.
Ny asa ara-batana hataonao androany dia ny mitsemboka. Manaova zavatra iray hahatsemboka ny vatanao afaka minitra vitsy. Mihazakazaka amin’ny tapis roulant, na any an-jaridaina, ovao ny fanaka ao amin’ilay efitra noheverinao efa elaela izay, miakatra tohatra – zavatra mahatsemboka ka hahamando ny akanjonao. Tadidio anefa, raha tsy tsemboka ianao dia tahaka ny tsy nanao.
Eo amin’ny ara-bola, hevero ity: indraindray isika mividy zavatra na mandany vola amin’ny zavatra tsy misy dikany sy na tsy misy ilaintsika akory. Voatosiky ny dokam-barotra, te-hitovy amin’ireo namana, na manaraka sitrapon-jaza… Raha jerenao am-pilaminana hoe mankaiza ny volanao, dia hahita irika ianao hitehirizana vola an’arivony maro.
Farany, fantaro ny zavatra mandany ny fotoananao ary esory amin’ny fiainanao izany. Raha manam-potoana kokoa ianao hanaovana izay tena ilaina dia hitombo kokoa.
Rahampitso indray.


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!