.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Raha mahavita ny asa androany ianao, dia ho tonga amin’ny am-pahatelon’ity vinavina ity. Ahoana no iainanao an’ity traikefa ity? Zarao aminay etsy ambany ny fanamarihanao.


Angamba ny asa ho an’ny fanamby lehibe indrindra androany dia ho an’ny lafiny fifandraisana amin’olona. Afaka hitondra vokatra mahatalanjona ho anao koa anefa. Mieritrereta olona iray izay mahafinaritra anao. Inona no mahafinaritra anao ao amin’io olona io? Nahoana?
Aoka ianao ho sahy, raiso ny finday na manatona an’io olona io ka anontanio azy hoe: Ahoana ny fomba fanaovanao an’izao? Inona ny tsiambaratelo mba hahatonga ahy ho (fenoy amin’ilay toetra)? Manana torohevitra ve ianao homena ireo izay te-hivoatra?
Raha hitanao fa ilaina, azonao lazaina aminy ve fa ireo fanontaniana ireo dia asa ao anatin’ny vinavina voatokana izay ataonao. Ataovy am-piheverana anefa ka aza mampandany fotoana be an’ilay olona, misaora azy noho ny fanampiany.
Ankoatra ireo torohevitra ho azonao, io asa io dia hanampy anao koa handresy ny mety ho fahamenarana ao aminao, ka hahatonga anao hanakaiky kokoa an’io olona io ary angamba koa hanomboka zavatra tena mahasoa ho amin’ny ho avinao. Noho izany, ataovy izay azo atao tsy hialana amin’io asa io.
Rahampitso indray.



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!