.

.

Andro fahatelo ambin’ny folo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Fahamarinana, Finoana ary Fitiavana

Na meloka ny devoly na tsia, ny marina dia efa tena very tsy misy fanafany ny ankamaroan’ny olombelona. Izany hoe, mitranga izany amin’ny olona telo ao anatin’ny efatra izay maheno ny Tenin’Andriamanitra.

Inona ary no azo atao? Hanapotika ilay Fahamarinany ve, sy hanery ireo miavonavona sy mpikomy hanaiky ny sitra-pony, na inona na inona ho sarany? Ny Fahamarinany, izay marina sy tonga lafatra dia tsy manaiky fahadisoana. Ilay drafitra ho famonjena dia nataony ho an’ny rehetra, ary miorina eo amin’ny fahamarinana. Na Izy aza, amin’ny maha Tsitoha sy Mpitsara Marina Azy, tsy afaka miverina amin’ny Teniny. Noho io fahamarinana tonga lafatra sy tsy azo ovaina io, izay avy amin’ny finoana miasa, amin’ny dikan-teny tsotra, ny olombelona rehetra dia afaka ho voavonjy avokoa, raha mbola velona ary afaka misaina tsara, amim-pinoana, hifidy an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
Ny haavon’ny finoana ilaina ho amin’ny famonjena mandrakizay dia tokony hitovy amin’ny karazana fitiavana ‘ahava’. Izany hoe finoana tsy arahina fihetseham-po.
Fa Andriamanitra tia an’izao tontolo izao, ka nataony sorona ny Zanany Lahy Tokana ho azy. Nanao sorona Izy aloha vao nahazo valiny avy amin’ny olombelona. Nanao sorona Izy satria tia, satria nino.
Tsy misyfitiavana, na finoana tsy arahina sorona. Izay mandositra an’izany dia ho resy eo amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana. Izany hoe amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany.
Nohariana tonga lafatra i Adama sy Eva. Tonga lafatra, eo amin’ny ara-batana sy ara-panahy. Ny endrika sy fitoviana amin’Andriamanitra dia eo amin’ilay toetra sy Fahamarinany. Rehefa nandika ny lalàna izy ireo dia nanjary tsy marina. Ary dia very izay tena masina sy sarobidy indrindra tao amin’izy ireo : ny fifandraisany amin’ilay Mpitsara Marina. Nanomboka teo, inona moa no fifandraisana mety hisy eo amin’ny Fahamarinana sy ny tsy fahamarinana ? Eo amin’ny Fahazavana sy ny aizina ?
Mba hamelana ilay fahotana fandikana Lalàna, dia tokony hisy olona iray hiantoka sy hizaka izany ary hitondra azy any am-pasana. Dia ho faty koa ny fahotana. Fa ahoana moa no ahafahan’ny olona iray mizaka sy miantoka ny fahotan’ny hafa, raha manam-pahotana ihany koa izy? Tsy azony atao izany. Mba hahafahany mizaka ny fahotan’ny hafa dia, tokony ho tonga lafatra sy tsy manana fahotana na iray aza ilay olona. Aiza no misy izany olona izany ? Tsy misy.
Nila nanangana firenena iray Andriamanitra, nisaraka tamin’ireo firenena tsy mpino mba hitondra ilay Zanany Lahy Tokana eto amin’izao tontolo izao. Ny fikasan’Andriamanitra hahary Izao Tontolo Izao marina sy masina ary tonga lafatra amin’ny alalan’ilay Adama voalohany dia tsy nahomby noho ny tsy fahamarinany. Fa nahomby kosa tamin’ny alalan’ilay Adama faharoa, dia Jesosy izany. Niaina tao anatin’ny fahamarinana Izy, noho izany afaka mizaka ny tsy fahamarinan’ny olombelona. Naha-voaozona Azy izany. Ary amin’ny maha-ozona Azy dia nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana Izy.
Noho izany, ny valin’izany, nitondra ny fahotan’ny olombelona any am-pasana Izy. Tsy misy olombelona izany ary, mino aho fa na dia ny anjely aza, afaka mahatakatra ny halalin’ny finoana sy fitiavan’Andriamanitra ny olona nohariany, raha nesoriny teo akaikiny ny Zanany Lahy, ka navelany ho amin’ny fahamenaran’ny hazo fijaliana.
Ny fahamarinany, ny finoany sy ny fitiavany dia nanery Azy hanao izany. Afaka mitaky amin’ny olombelona io karazana finoana sy fitiavana (hetsika arahin-tsorona) io ve Izy ho Azy? Izany indrindra no nampianarin’i Jesosy Tompo : Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany (ny sorona)  sy hitondra ny hazo fijaliany (ny sorona) ka hanaraka Ahy (ny sorona). (Matio 16:24).
Afaka mitaky ny sorona rehetra amin’ireo mpanaraka Azy Izy, satria ny Tenany mihitsy no nataony sorona ho azy ireo.
Raha mizaka ny finoany, tsy arahina fihetseham-po ny mpanota, dia ho voavela ny fahotany, ho voadio izy eo anatrehan’Andriamanitra ary ho voavonjy ny fanahiny.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!