.

.

Andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Fahamarinana, Finoana ary Fitiavana – Tapany faharoa

Fa ny marina ho velon’ny finoany. Habakoka 2.4 …Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andrimanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: ny marina amin’ny finoana no ho velona.    (Romana 1.17)

Ary hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ny finoana no ho velona.    (Galatiana 3.11)
…Ary, ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.    (Hebreo 10.38)
Ireo andian-teny masina ireo dia maneho, amin’ny fomba mazava sy tsy am-pisalasalana, fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia mifototra amin’ny finoana. Izany hoe, tsy misy famelan-keloka, tsy misy famonjena, tsy misy fahatanterahan’ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ary farany, tsy misy na inona na inona raha tsy misy ny fampiasana finoana arahin-tsorona.
Manoloana ny Lalàn’Andriamanitra, nanota ny rehetra, manota ary mbola hanota. Afa-tsy ny zaza tsy manan-tsiny izay tsy mbola mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny olona iray amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.    (Romana 5.12)
Manoloana izany, tsy afaka atao ny mahazo zavatra avy amin’Andriamanitra raha tsy misy ny fampiasana finoana. Tsy mitovy amin’ny lalàn’ny olombelona izany, izay mitaky porofo feno mba hamotsorana ilay voapanga. Izany hoe, tsy meloka ny rehetra mandra-pahita porofo hiampangana azy. Raha noho ny fanonoana olona no iampangana ny olona iray dia tokony hisy porofo hoe namono izy; raha nangalatra izy dia tokony hisy porofo hoe nangalatra izy; raha nandika lalàna izy dia tokony hisy porofo hoe nandika lalàna izy.
Ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia meloka ny olona rehetra ary ho voasazy, na nanao hadisoana na tsia. Manoloana ny Fahamarinan’Andriamanitra, ny toetra maha-Adama dia tsy mamela ny olona ho voavonjy na hovotsorana… Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. 
(Romana 3.23)
Fomba ahoana no hamafana ny fahotan’ny olona iray eo anatrehan’ny Fahamarinan’ Andriamanitra? Iza no mety hisolo vava ny mpanota? Inona no azo angonina hanaporofoina ny fahadiovany?
Manoloana an’Andriamanitra, ilay Mpitsara Marina, dia tsy misy mpisolo vava, na porofo hanadiovana ny mpanota iray. Nanota ny rehetra. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, nanota ny rehetra. Na am-pieritreretana na tsia, na amin’ny fisainana, na amin’ny hetsika atao, na amin’ny teny, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fihetseham-po. Nanota ny rehetra ary tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.
Eo indrindra no miditra ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo! Tsy ny finoana am-bava fotsiny, tahaka ny hoe: ”Mino an’Andriamanitra aho”, na “Mino an’Andriamanitra Tokana olona telo aho”. Tsia! Tsia amin’arivony! Tsy mahomby io karazana finoana io. Raha nahomby io, dia ho tena zava-mahafinaritra sy mahagaga ny tontolon’ny kristianina. Tonga olombelona ny Zanak’Andriamanitra, niaina tahaka ny olona, niaritra ny fetran’ny olona, nanao sorona ny Nofony nandritra ny andro niainany,ary na teo aza izany, dia maty tahaka ny mpanota voaozona izy, na dia tsy nanam-pahotana na kely aza.
Tsy nifindra taminy ilay otrikaretin’ny fahotan’ny reniny, satria mahery kokoa ny ADN-n’ny Avo Indrindra. Nomeny famonjena ireo izay mino amin’ny fomba arahin-tsorona. Ny finoany sy ny fitiavany no nanosika Azy hanao sorona. Toa izany ihany koa, ny mifanohitra amin’izay, dia voatery isika maneho finoana sy fitiavana arahin-tsorona ho azy mba hahavoavonjy antsika. Raha tsy izany dia tsy misy famonjena.
Ny filazana hoe: ‘raha manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy ny olona iray dia ampy hahavoavonjy azy izany’ dia tantara fotsiny. Manitatra ny làlana mankany amin’ny afobe izany. Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny mpino ho feno demonia.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!