L’évènement « Guérison à travers l’imposition des mains » s’est déroulé également au Cénacle de 67 Ha, le dimanche 29 Janvier 2012. Le peuple de Dieu est venu nombreux pour recevoir la guérison.
Dieu a opéré de nombreux miracles à travers les mains de Ses serviteurs. Tel cet homme qui ne pouvait pas marcher sans des cannes. Après l’impo- sition des mains, il a reçu la guérison et peut mar- cher normalement.
Une femme avait une kyste pendant des années. Elle a reçu également la guérison après l’imposition des mains.
Dieu a manifesté son pouvoir dans la vie d’une autre femme qui ne pouvait pas porter son enfant dans ses bras, à cause d’un gonflement des muscles. Elle fut totalement guérie après l’imposition des mains, car le gonflement a disparu.
Beaucoup d’autres personnes ont vu la manifestation du pouvoir de Dieu dans leur vie. Tout le monde était heureux, aussi bien les nouvelles personnes qui ont été invitées que ceux qui les ont invitées.
En terminant la prière, le Pasteur a invité le peuple à venir le dimanche prochain, le dimanche de la Transfiguration.
Faha 29 Janoary 2012 - 67Ha.
Ilay hetsika ho an’ny ‘Fanasitranana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana’ dia natao ihany koa tany amin’ny Senakla ao 67Ha, ny Alahady faha-29 Janoary 2012. Tonga maro ireo vahoakan’Andriamanitra mba handray fanasitranana.
Nanao fahagagana maro tokoa Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nataon’ireo mpanompony. Tahaka ity lehilahy izay tsy afa-nandeha raha tsy nitondra tehina. Nahazo fanasitranana izy taorian’ny fametrahan-tanana taminy, ka afaka mandeha ara-dalana.
Nisy vehivavy iray indray nisy fivontosana teo aminy nandritra ny taona maro. Sitrana izy taorian’ny fametrahan-tanana.
Nampiseho ny heriny koa Andriamanitra tamin’ny fiainan’ny vehivavy iray izay tsy afaka nitrotro ny zanany akory noho ny fivontosan’ny hozatra. Tena sitrana tanteraka izy taorian’ny fametrahan-tanana taminy sady nanjavona ilay fivontosana.
Maro ireo nahita ny fisehon’ny herin’Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Ary tena sambatra ny olona rehetra, na ireo olona vaovao nasaina na ireo nanasa azy ireo.
Raha namarana ny fotoam-bavaka ny pasitera dia nanasa ireo vahoaka ny ho tonga ny Alahady ho avy izao, Alahadin’ny Fiovan-tarehy.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire