.

.

Faha 29 Janoary 2012 - Foibe Nasionaly

Andron’ny fanasitranana sy fahagagana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. 

Fahagagana fanasitranana, izany no tena nanamarika ity andron’ny faha-29 Janoary 2012 ity: andron’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Andro tena nandrasan’ny vahoakan’Andriamanitra, izay tonga maro tao Andraharo, foiben’ny FVKFM, mba hahita sy handraisany fahagagana eo amin’ny fiainany, fiainan’ny fianakaviany ary koa ireo namany.

Ary dia nahita sy niaina tanteraka tamin’ny fahagagana tokoa izy ireo. Tahaka ilay vehivavy izay nitomany raha nijoro vavolombelona raha vao vita ny fametrahan-tanana. Tena feno hafaliana tanteraka tokoa izy fa nahazo fanasitranana, izay tsy noeritreretiny ho azony indray andro. Nolazain’ny mpitsabo fa tsy ho sitrana intsony izy, noho ny aretina tao am-pony.
Nisy koa lehilahy iray izay nanana aretim-po ihany koa. Tsy afaka niakatra tohatra izy satria raha vao miakatra dia nidobodoboka be ny fony ary nahatsapa fanaintainana mafy izy. Sitrana izy, tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary faly be tokoa niakatra sy nidina teo amin’ny tohatra mankeo amin’ny alitara, ary tsy te-hijanona intsony.
Ary ilay vehivavy jamba nandritra ny telo taona mandra-pahatongany tao am-piangonana. Raha vao vita ny fametrahan-tanana dia nahita avy hatrany ny masony roa ka dia feno hafaliana tsy misy hoatr’izany izy.
Nisy koa vehivavy iray narenina sady tsy nahita tsara noho ny aretina tamin’ny masony. Nanaraka ny fitsaboana rehetra natoron’ny mpitsabo izy fa tsy nahita vokany. Taorian’ny fametrahan-tanana dia nahita tsara izy ary naheno ihany koa.

Tsy azo hadinoina koa ilay lehilahy voan’ny goty, ka nanaintaina mafy ny lohaliny, hany ka zara raha afa-nandeha izy nony ton- ga tao am-piangonana. Nahazo fanasitranana izy tamin’ny alalan’ny fame- trahan-tanana, ka nitsam- bikina mihitsy aza raha nijoro vavolombelona noho ny fahagagana azony.
Sombintsombiny ihany amin’ny nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainan’ny vahoakany ireo, anio Alahadin’ny fanasitranana sy fahagagana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nataon’ireo mpanompony. Tahaka ny niasan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo apostoly taloha, dia mbola miasa Izy hatramin’izao amin’ny alalan’ireo mpanompony ankehitriny. Nataony izany tamin’ity andro miavaka ity, tany amin’ny fiangonana FKFM rehetra eto Antananarivo sy any amin’ny faritany ihany koa.
Tsy hadinointsika anefa fa ny Alahady dia andron’ny Fanahy Masina, izay tokony handraisan’ny tsirairay fanapahan-kevitra hanolotra marina ny fiainany ho an’Andriamanitra na hanavao ilay voady natao taminy. Raha namarana ny fivoriam-bavaka i Eveka Antonio dia nilaza tamin’ny vahoaka izy hoe: tsara ny mahazo fanasitranana, miroborobo, manana fianakaviana voatahy; fa ilaina ve ny miaina fiainana manana amby ampy eto an-tany nefa ho very fanahy? Ka dia nanasa ny tsirairay izy hanadio ny fony sy hiantso ny Fanahy Masina hiditra ao aminy. Satria, ny Fanahy Masina dia tsy tonga raha tsy antsoina hiditra, hoy ihany ny Eveka.

Ny fotoana manaraka dia ny faha 5 Febroary 2012 ho fanasitranana ny fanahy, Alahadin’ny Fiovan-tarehy; ary ireo izay maniry hanana fiovana ao anaty sy hanana fiainana marina miaraka amin’Andriamanitra, dia asaina handray anjara amin’io andro io.

Foibe Nasionaly - Andraharo
Tel.: 261 20 24 24 236

==============================================================

29 Janvier 2012: Jour de guérison et de miracles par l’imposition des mains.

Miracles de guérison, c’est ce qui a marqué cette journée du 29 Janvier 2012: jour de guérison à travers l’imposition des mains. Jour tellement attendu par le peuple de Dieu venu nombreux à Andraharo, siège de l’église FVKFM, pour voir et recevoir des miracles pour leur vie, leur famille et aussi leurs amis.
Et des miracles, ils ont vu, ils ont vécu. Telle cette femme qui pleurait en rendant son témoignage juste après l’imposition des mains, tellement sa joie était grande car elle a reçu une guérison qu’elle ne pensait pas recevoir un jour. Les médecins l’avaient déjà condamnée à cause d’un problème de cœur.
Et cet homme qui avait également un problème de cœur. Il ne pouvait pas monter un escalier car dès qu’il montait, son cœur battait très fort et il sentait de fortes douleurs. Il a reçu sa guérison par l’imposition des mains. Content de monter et descendre les quatre marches de l’autel en courant, il ne voulait pas s’arrêter.
Même cette femme qui était aveugle pendant trois ans jusqu’à son arrivée à l’église. Tout de suite après l’imposition des mains elle a immédiatement récupéré la vue.
Il y avait également une femme qui était sourde, et en plus elle ne voyait pas bien à cause d’un problème dans ses yeux. Elle avait fait tous les traitements que les médecins ont prescrits, mais sans obtenir de résultats. Après l’imposition des mains, elle a recouvré la vue et entendait très bien.

Sans oublier cet homme qui est venu à l’église avec un problème de goutte qui lui causait des douleurs très fortes aux genoux, et qui pouvait à peine mar- cher. Il a reçu sa guérison à travers l’imposition des mains, et il a même sauté en rendant son témoi- gnage.
Ce ne sont que des échantillons de ce que Dieu a opéré dans la vie de son peuple ce Dimanche de guérison et de miracles, à travers l’imposition des mains de Ses serviteurs. De la même manière que Dieu a utilisé les apôtres par le passé, Il continue d’agir à travers Ses serviteurs d’aujourd’hui. C’est ce qu’Il a fait en ce jour spécial, dans toutes les églises de la FVKFM, à Antananarivo et aussi en provinces.
Et n’oublions pas que Dimanche est le jour du Saint-Esprit où chacun doit prendre la décision de donner véritablement sa vie à Dieu ou renouveler son vœu avec Lui. En terminant la réunion, l’Evêque Antonio a dit au peuple que c’est bon de recevoir la guérison, de prospérer, d’avoir une famille bénie ; mais à quoi bon vivre une vie en abondance sur la terre et perdre son âme? Alors, il a invité chacun à nettoyer son cœur et appeler le Saint-Esprit à venir y habiter. Car, le Saint-Esprit ne vient que lorsqu’on L’invite à entrer, a-t-il ajouté.
 
Rendez-vous le 5 Février 2012 pour la guérison de l’âme, Dimanche de la Transfiguration, où ceux qui veulent vraiment avoir une transformation intérieure et avoir une vie véritable avec Dieu, sont invités à participer.

Siège National - Andraharo
Tel.: 261 20 24 24 236 

> retour aux messages 


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!