Raha mieritreritra ianao fa tsy manana nofinofy ny Tsitoha, dia diso ianao. Raha tsy nanana nofinofy Izy, tsy nanao sorona ny Zanany Lahitokana izany.
Ary maninona Izy no nanao izany ? Inona no nofinofiny na faniriany ka nanosika Azy hanao sorona?
Ny nofinofy hanonitra ny vidin’ny olombelona rehetra; ny hamonjy ny olona amin’ny afobe, ny hanova azy ireo ho Voninahiny ihany.
Izany hoe, hanavao azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahiny, mba ho lasa zava-boahary vaovao, olona araka ny Endriny sy mitovy Aminy – tena zanak’ Andriamanitra tokoa.
Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny mpanompony, Asaph, tao anatina tononkalo, feno fihetsem-po lalina, tahaka na olombelona manonofy, toy ny olona nilentika an-dranomasina ka miantso vonjy, toy ny tantely mitady ampepan-tantely, ary Izy ihany, Tompon’ny tompo, dia mikatsaka ny hiverenan’ny Voariny. Izany no nofinofiny.
Oh!...
Impiry moa isika no mampiasa ity teny ity mba hanatanterahina faniriana anaty Fanahy?
Oh! Raha mba izaho izao no mandresy amin’ny loteria…
Oh! Raha mba afaka aho ary ho ampy koa ny volako…
Oh! Raha mba mahita olona ahasambatra ahy aho…
Na koa hoe izao sy izao.
Ao anatin’izany mihitsy no hanehoan’ny Tompo ny Nofinofiny.
"Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny; Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao." (Salamo 81:13-16)
Nefa mifanohitra amin’izany, mandalo fanetrena foana Izy satria lavintsinka ny Feony.
> retour aux messages
> retour aux messages
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire