Fankasitrahana – fihetseham-po tena tsy dia fahita amin’ny olona, na ho an’Andriamanitra aza. “Manaova fisaorana amin’ny zavatra rehetra”, hoy ny Teniny. Ny hoe mankasitraka dia toetra tsara. Todiho ny lasa dia tsarovy ireo fitahiana azonao ka misaora an’Andriamanitra amim-bavaka noho ny tsirairay amin’ireo.
Andron’ny voankazo! Iray maraina, iray ny tolakandro ary iray ny hariva:
fahasalamana 100%.
fahasalamana 100%.
Fangatsiahana, lolom-po ary fanalavirana eo amin’ny fifandraisana dia manomboka amin’ny eritreritra kely na fihetseham-po ananantsika momba ny olona hafa. Ny asanao androany eo amin’ny fifandraisana amin’olona dia ny misava ny ao am-ponao, ny eriteritrao ka mijery raha misy zavatra ao mety handoto ny fonao ka mahatonga anao hanalavitra ny olona iray. Aza malaky miteny hoe tsy mitazona na inona na inona ianao momba io olona io. Raha misy olona tsy tianao ho hita, aleonao tsy miresaka aminy, na hoe mialona azy ianao, manana lolom-po na fihetseham-po ratsy hafa, dia azo antoka fa mila fanadiovana ny fonao.
Ny fialam-boly dia zavatra atao matetika amin’ny fotoana tsy fiasana ary mitondra fialan-tsasatra sy fahafinaretana. Raha mampiasa ny fahaizanao mamorona ianao, ny fialam-boly dia mety hahazoanao vola kely fanampiny ho anao. Io ny fanamby ara-bola mba hitomboanao. Manomboha ary mitady.
Isika rehetra dia manana feo tsy mahomby izay miteny amintsika amin’ny fotoana rehetra (ilay feo vao avy niteny tamintsika, segondra vitsy talohan’izao hoe tsy ho anao izany fialam-boly izany, tsy manam-potoana ho an’izany ianao, tsy mety mihitsy izany, mbola ho asa be ho anao indray izany, sns). Noho izany, ny asanao dia ny mampangina an’io feo io amin’ny filazana tenin’ny finoana isaky ny tonga mitsikera anao io.
Kely sisa…
Rahampitso indray.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire