.

.

Ny Fanahy Masina ao anatin’ny fito andro


 
Amin’ny alahady izao dia hampianatra izahay hoe ahoana ny fomba handraisana ny Fanahy Masina ao anatin’ny fito andro.
 
Tahaka ny hoe, ireo fanahy ratsy no tomponandraikitra mivantana amin’ny fahorian’ ny olombelona, ny Fanahy Masina kosa no Tomponandraikitra amin’ny fanorenana ho amin’ny fiainam-baovao.
Hoy i Jesosy Tompo: «Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.» 
(Matio 6:33)
Inona avy izany hanampy ho anareo izany?
Fiainam-baovao miaraka amin’izay rehetra omeny antsika eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Tsy hoe tsy misy tolona, fa ao amin’ny fandrombahana hatrany.
Ny fahadisoana lehibe indrindra ataon’ny olona dia ny mitady ny vahaolana aloha.
Tokony hitady an’Ilay Mpamaha olana aloha isika – ny Fanahy Masina izany.
Ahoana no hanaovana an’io amin’ny fomba mahomby?
Izay vonona ny handoa ny sarany handraisana Azy mandritra ny fito andro, ao anatin’ny hafitoana dia hahazo valisoa.
Ny fivahiniana masina dia mandritra ny fito andro ary hanomboka ny alatsinainy ka hifarana amin’ny alahady ho avy izao.
Raha toa ireo olona mangetaheta ny Fanahy Masina manaraka tsara ny fitarihanay, mandrahapatongan’ny alahadin’ny carnaval – fetin’ny nofo, dia hankalaza ny fetin’ny fanahy miaraka amin’ny Fanahy Masina izy ireo.
Fitarihana mitovy no homena any amin’ny Senaklan’ny Fanahy Masina rehetra.
Izay mangetaheta, izay tena vonona, tongava!
«Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra.» (Jeremia 29:13)

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!