.

.

Ny Fanahy Masina araka ny ilana azy


Lire en français 

Nahoana ny ankamaroan’ny kristianina no mbola tsy nandray ny Fanahy Masina, raha efa nalefa Izy io?
Inona no manakana anao tsy handray ny tombokasen’ny Fanahy Masina?

Ny tsy fisian’ny finoana ve? Ny tsy fahamen- drehana? Ny tsy fisian’ny fitokanana tanteraka?
Misy antony maro ny amin’izany.
Mino Aho fa ny bahana lehibe indrindra manakana ny Fanahy Masina tsy hidina dia ny tsy fahampian’ny fanoloran-tena tanteraka ho an’Andriamanitra.
Ny hoe mandray ny Fanahy Masina dia midika hoe ny Rehetrany, ny Fahafenoany.
Izay vonona ny handray Azy dia tokony ho vonona hanao sorona ny fiainany manontolo.
Ny rehetran’Andrimanitra ho an’ny rehetrany.
Indrisy anefa, tsy ny olona rehetra no tena vonona hamela ny fiainany sy ireo fahotany. Manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy izy ireo, fa tsy manaiky Azy kosa ho Tompo. Te-hanararaotra ny fiainany amin-kalalahana izy. Ka tsy misy fifanarahana matotra miaraka amin’iza na iza. Na miaraka amin’i Jesosy aza.
Tsy hitantsika izany toe-javatra izany ety ivelan’ilay olona, fa ny Fanahy Masina no manenjika ny ao anatin’ny olona.
Io fipetraka manokana io dia manambara ny fahabangan’ny Fanahy Masina.
Misandoka ilay olona milaza fa i Jesosy Tompo no Tompony sy Mpamonjy azy.
Misandoka izy hoe mahatoky Azy. Misandoka ny ho ara-panahy. Mody mitady Azy. Mody miseho ho an’Andriamanitra izy. Misandoka, misandoka, ary mpisandoka…
Tonga ny taona vaovao, dia tapitra, ary izy dia mbola misandoka ihany.
Amin’ny ara-politika dia lazaina hoe: “mody manatanteraka izay nampanantenainao ianao ary izaho mody mino. Ary samy manao izay azony atao ny tsirairay avy.
Azo antoka fa ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy misandoka amin’ilay hoe mino ny fanoloran-tenan’ny olona tanteraka. Nefa, satria fantany ny ao anatin’ny olona hatramin’ny faralaliny indrindra, dia malahelo Izy.
Tian’ny devoly anefa izany.
Ary dia mitohy voabahana hatrany ny fiainan’ilay olona.
Ao am-piangonana izy, manome fahafolonkarena, manao voady, mivavaka, mitomany, fa tsy mety mamela ilay fahafahany hanota izy.
Hoy i Jesosy: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36).
Fanamarihana: Ny hoe mino, ao amin’ny dikan-teny voalohan’ny Baiboly dia midika hoe manolo-tena: vatana, fanahy ary saina, tsy misy fepetra.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!