.

.

Ny fitsiriritana ho mandrakizay

Iray amin’ireo tetik’ady tranainy indrindra ampiasain’ny devoly hampianjerana lehilahin’ Andriamanitra ary, lazaiko avy hatrany, izay tena nahomby ary mbola hahomby ho an’izay tsy mitandrina, dia ny fahabangana eo amin’ny fiainana ara-pitiavana - ny fanirian’ny fo.

Mba hanananao hevitra hoe ahoana ny fandehan’ilay zavatra, eo amin’ny lafiny iray Andriamanitra manana ny fieritreretana (fisainana) miaraka aminy, mba hiteny, hitarika ary hanoro lalana ny olombelona; eo amin’ny lafiny iray kosa, ny devoly dia manana ny fo (fihetseham-po sy fientanam-po) ho namany, ary eo anelanelany ny olombelona. Raha mirona mankany amin’ny saina sy ny finoana izy, dia ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, raha tsy izany kosa, raha mirona mankany amin’ny antson’ny fo izy, dia hahatonga fijaliana izany, tebiteby ary fanandevozan’ny afobe.
Ny tena mahery eo amin’ny fiarahana ara-pitiavana dia ny firaisana, ny fahafinaretan’ny nofo, ary ny devoly dia mampiasa io fahafinaretana io ho fampahoriana ny maro.
Andeha hodinihintsika ny amin’ny Davida mpanjaka – olona araky ny fon’Andriamanitra izy–nandresy an’i Goliata sy ny tafika lehiben’ny fahavalo, nefa tsy naharesy ny libido-ny raha nahita ny vatana tsara rafitra sy nitanjaka an’i Batseba – vadin’i Oria – isan’ny miaramilan’i Davida mahatoky indrindra.
Nantsoiny i Batseba ho ao amin’ny lapany, ary rehefa voangolin’ny filan’ny nofo izy, dia naira-nandry taminy. (2 Samuel 11:1-4)
Avy eo, rehefa avy nifalifaly tamin’ilay fahafinaretana, izay mandalo fotsiny izy, dia tafiditra tao amin’ny fampahorian’ny tebiteby, ny fahabangana sy ny fanaintainana, ary teo dia takany fa very ilay fifalian’ny famonjena nananany ary nisintaka ny Fanahy Masina, nalahelo sy diso fanantenana noho ny aminy. (Salamo 51:11-12)
Teo no nitranga ny fianjerany, fa tsy nahafaty azy akory – satria namindra fo Andriamanitra – raha nahita tao am-pon’i Davida fanenenana marina sy fanetren-tena teo anatrehany.
Ny tena marina dia izao : rehefa ianao assistant na pasitera, mianjera ka manao firaisana amin’ny vehivavy iray, amin’ny fotoana fara-tampon’ny fahafinaretana, amin’ny fotoanan’ny fitsiriritana, ny mivoaka avy ao anatinao dia tsy ny tsironain’ny lahy ihany, fa mivoaka avy ao koa ilay hosotra voarainao, ny fahatokisana anao, ny fahamasinanao, ary indrindra ny famonjena anao, izay miraraka ao anaty tranonjazan’ilay vehivavy avokoa. Aorian’ilay fahafinaretana mandalo, dia manomboka ny fampahorian’ny fahabangan’ireo rehetra naorinao tamin-tsorona, ady, ary ranomaso. Izany hoe ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra.
Tahaka izany koa, rehefa ny assistante na vadina pasitera iray, mianjera ka miray amin’ny lehilahy, amin’ny fotoana fara-tampon’ny fahafinaretana, amin’ny fotoanan’ny fitsiriritana an’ilay lehilahy dia, tsy ny fitobaky ny tsironaina ihany no azony, fa ny fitobaky ny otrikaretin’ny fahotana ihany koa, izay mitondra ny fampahorian’ny tebiteby, ny fiampangana, ary ny fanaintanan’ny fanahy, ny fisalasalana ary indrindra ny fahaverezan’ilay fifalian’ny famonjena.
Ny Fanahy Masina anie hamindra fo amintsika, hahafahantsika mihevitra hatrany ny fahatahorana ny Tompo ho loharanon’ny fiainana, ary mba tsy hianjerantsika na oviana na oviana ao anatin’ny fandriky ny fahafatesana. (Ohabolana 14:27)
Tsy ilaina ny manolo ny fahafinaretana sy fifaliana ara-panahy - noho ny fifandraisana amin’Andriamanitra - amin’ny fampahorian’ny fahabangan’ny fanahy noho ny tsy fisian’ny fanatrehan’Ilay Tompon’ny Tsitoha, ka hizakana mandrakizay ny hanina ny amin’ny fanatrehany sy ny fihavanany ao anatintsika.

Andriamanitra anie hitahy antsika rehetra !

Eveka Sérgio Correa


================================================

L’éjaculation de l’éternité

L'une des stratégies les plus anciennes du diable pour faire chuter les hommes de Dieu et nous pouvons bien dire qu'elle a été et est très efficace contre celui qui ne veille pas, c'est le manque affectif – les désirs du cœur.
Pour que vous ayez une idée de comment cela fonctionne, d'un côté Dieu a l'esprit (l'intellect) pour allié afin de parler, diriger, orienter l'homme, le délivrer des ruses du diable; de l'autre côté, le diable a le cœur (sentiments et émotions) pour allié et au milieu se trouve l'être humain. Si, ce dernier, s'incline plus vers la raison et la foi, il sera libre des pièges du diable; mais s'il s'incline plus vers les appels du cœur, cela finira par le mener vers la souffrance, l'angoisse et l'esclavage de l'enfer.
Le point le plus fort d'une relation est le sexe, le plaisir sexuel. Et le diable utilise aussi ce plaisir pour promouvoir le dégoût de beaucoup.
Observons le roi David – un homme selon le cœur de Dieu – qui a vaincu le géant Goliath et les grandes armées ennemies, mais il n'a pas réussi à vaincre sa libido en voyant le corps somptueux et dénudé de Bath-Schéba – la femme d'Urie – l'un de ses soldats les plus fidèles.
Il l'a appelé au palais et enivré par le désir ardent d'avoir une relation sexuelle, il coucha avec elle (2Samuel 11:1-4). Ensuite, après avoir profité d'un plaisir orgasmique, mais momentané, il plongea dans un déplaisir d'angoisse, de vide et de douleur, au point de s'apercevoir que la joie de son salut lui a échappé des mains et que le Saint-Esprit S'est éloigné attristé et déçu de son être (Psaumes 51:11-12).
Ainsi surgit la chute, qui n'a pas été mortelle, parce que Dieu a utilisé de sa miséricorde - pour avoir trouver dans le cœur sincère de David une repentance et humiliation devant Sa face.
La grande vérité est que lorsque vous, qui êtes ouvrier ou pasteur, tombe sexuellement en péché avec une femme, au moment du climax sexuel, au moment de l'ÉJACULATION, de vous ne sort pas simplement le sperme, mais l'onction que vous avez reçue part aussi avec, votre ministère, votre crédibilité, votre sainteté et surtout votre salut, qui est déversé dans l'utérus d'une femme.
Après un plaisir momentané, commence le déplaisir d'un vide de tout ce que vous avez construit avec tant de sacrifices, luttes et larmes. En somme, une vie avec Dieu.
De la même forme, lorsque une ouvrière ou épouse tombe sexuellement en péché avec un homme, au moment du climax sexuel, au moment de l'ÉJACULATION masculine, elle ne reçoit pas simplement le jet du sperme, mais le jet du virus du péché qui apporte le déplaisir de l'angoisse, de culpabilité, de la douleur de l'âme, du doute et surtout perdre la joie du salut.
Que le Saint-Esprit ait miséricorde de nous et que nous ayons toujours en évidence la crainte de l'Eternel comme source de vie, pour que nous ne tombions jamais dans les pièges de la mort (Proverbes 14:27).
Cela ne sert à rien d'échanger le plaisir et la joie spirituelle de la communion avec Dieu par le déplaisir du trou de l'âme provoqué par l'absence du TOUT-PUISSANT et nous porterons pour toujours, en nous, la nostalgie de Sa présence et de Son amitié.

Que Dieu nous bénisse, nous tous!

Evêque Sergio Correa



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!