.

.

Andro fahavalo ambin’ny folo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela

Lire en français
Nahoana Abrahama no nozahana toetra? 
 
Nahoana Andriamanitra no nizaha toetra an’i Abrahama raha fantany mialoha fa i Abrahama dia hankatoa sy hanao sorona an’i Isaka zanany? 
Andriamanitra dia naniry ny hanazava mazava tsara fa ny olombelona tsirairay dia mahavita mitia sy mino Azy, na dia voatosika hanao zavatra mihoatra ny ara-dalana aza ny sainy. 
I Abrahama dia tsy nateraky ny Fanahy, tsy vita batisan’ny Fanahy Masina, tsy naharay hosotry ny Fanahy tahaka izay noraisin’ ireo mpaminany hafa sy ireo mpanjaka tany Isiraely, na ny iray na ny ankilany, Abrahama dia olona tsotra ihany, olon-tsotra tahaka ahy sy ianao. 
Kanefa, nahavita nandresy ny fihetseham-pony izy ary nankatoa. Raha nahavita nanao izany Abrahama, noho izany mahavita mandoa ny sarany isika ka mandà ny tenantsika, mitondra ny hazo fijaliantsika ka manaraka ny Zanany dia i Jesosy izany. 
Maro ireo izay tsy mpino no afaka mandresy lahatra manao hoe ny soron’i Jesosy dia hay atao satria Andriamanitra Izy, ary ny vokatr’izany, mora ny mandresy ny sitrapon’ny nofo. 
Fa ny hetsika arahina finoana izay nataon’i Abrahama dia afaka ampiasaina ho fandresen-dahatra manohitra ireo izay manome fialan-tsiny foana mba handavany ny finoany an’i Jesosy sy manolo-tena ho an’ny sitrapon’ny nofony. 
Ny antony dia, na oviana na oviana ny Tompo tsy nangataka ary tsy mba hangataka zavatra izay tsy vitan’ny mpanompony ny manao azy. 
Rehefa nanome talenta ny mpanompny ny mpampianatra, mazava ho azy, ny fanantenany dia ny mba hampitomboin’ny mpanompony izany talenta izany. 
Mifanohitra amin’izany no nataony, nafeniny izany ary nilaza izy manao hoe, “Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin’izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’izay tsy nanahafanao; dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ny tany…” Matio 25.24 
Ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay avy dia manana talenta. 
Ary kanefa, ny mpanompo sasany dia ratsy fanahy, kamo ary kanosa. Na dia manana talenta aza izy ireo, afeniny ny talentany. Izy ireny dia ho ariana any amin’ny maizina any ivelany. Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Matio 25-30 

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!