.

.

Andro fahafito ambin’ny folo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Ny hetotry ny devoly

Inona ny hetotra maimbo indrindra, manem- potra indrindra efa nofofoninao? Raha mieri- treritra izany fotsiny ianao dia toa may sahady ny oronao, ka manao tarehy ratsy ianao. (Antenaiko fa tsy anao ihany ilay izy, tao anaty bodofotsy…)

Izao ary, ampitomboy iray tapitrisa io fofona io, dia inona no azonao ? Mahazo hetotry ny devoly ianao.
Ary raha ao anaty efitrano iray ianao miaraka amin’ny devoly, dia mandefa rivotra izy (inona no antony nahatonga anao ho ao anatin’ny efitra iray miaraka amin’ny devoly, tsy fantatro), inona no hataonao ?
Handositra hivoaka ilay efitra ianao, mazava ho azy. Hanao izay azonao atao – izay azonao atao – ianao, mba tsy hifofonanao an’izany fofona izany. Tsara izany. Fa inty ny mba tiako hataonao manomboka androany: hataonao tahaka ny hetotry ny devoly ny fisalasalana.
Isaky ny misy fisalasalana tonga ao an-tsainao, dia hihetsika ianao tahaka ny hoe tao amin’ny efitra iray niaraka tamin’ny devoly ianao, dia vao avy nandefa rivotra izy. Handositra tao ianao – hanalavitra an’io fisalasalana io – haingana dia haingana. Ny fisalasalana dia iray amin’ireo antony lehibe mahatonga ny tsy fahombiazana hatrany. Izy no mahatonga ny drafitrao ho maimbo ary manome fofona mahatsiravina ny fanapahan-kevitrao (raha maharay fanapahan-kevitra ianao).
Aza hadino izao: fisalasalana = hetotry ny devoly
Milaza zavatra iray aminao aho: tsy mampihomehy mihitsy izany.
Eveka Renato Cardoso

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!