.

.

Andro fahasivy ambin’ny folo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela

Ireo làlana roa avy amin’ny finoana 

Mandehana ao amin’ny Fanahy. Izany no didy avy amin’ny Fanahy Masina ho an’ireo zanany sy mpanompony.
Fa ahoana moa no fomba handehanana araky ny Fanahy ka tsy manao ny sitrapon’ny nofo?

Toa tsy hay atao izany. Raha ny marina dia mitranga izany rehefa tsy manana ny natiora ara-panahy isika. Izany hoe rehefa tsy nateraky ny Fanahy Masina isika.
Ny fanontaniana iray dia izao: Andriamanitra va hangataka amintsika zavatra izay tsy haintsika atao?
Tsy mino izany loatra aho, ary ianao ?
Ny marina dia ny olona rehetra izay nateraky ny Fanahy dia fanahy. Noho izany, ny fandehanana amin’ny Fanahy dia zavatra azo atao tanteraka ary takiana mihitsy aza, raha maniry handresy ny sitrapon’ny nofo isika.
Ohatra manao ahoana moa izany mandeha amin’ny Fanahy izany?
Rehefa ny fieritreretantsika mifandraika amin’ny fieritreretan’Andriamanitra isan’ andro, dia tsy misy dikany intsony izay rehetra avy amin’ny nofo. Fa izay nateraky ny Fanahy dia tsy hoe mandresy ny sitrapon’ny nofo fotsiny fa mandresy izao tontolo izao ihany koa. (1 Jaona 5.4)
Izany dia midika fa Andriamanitra dia manome antsika ny zo hangataka ny tsy hay atao, fa ho takalon’izany kosa manan-jo Izy ny mitaky ny amin’ny zavatra rehetra izay hay atao sy vitantsika, ho an’ny tombontsoantsika manokana izany.
Maro ireo kristianina izay maniry hanatona Azy (Fitahian’Andriamanitra) fotsiny fa tsy mila Ny Fanjakany (Fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra).

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!