.

.

Andro faharoapolo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Hirika farany - Ho an’izay mieritreritra ny hamono tena

Fito taona aho tamin’izay ary nisy fivontosana be teo amin’ny feko ankavanana. Ireo mpitsabo dia efa nilaza hoe tsy maintsy tapahina ny tongotro.

Nandalo toe-javatra tena sarotra ny fianakaviako teo amin’ny lafiny ara-bola, ary efa nahazo fampilazana hiala amin’ny trano.
Tamin’io tolakandro io, ny raiko, izay tsy mbola nisotro mihitsy hatramin’izay, mamo izy rehefa nody tao an-trano, ary tsy nitondra vola na kely aza tamin’ny karamany. Io anefa no hany nantenain’ny reniko handoavana ampahany amin’ny hofan-trano.


Noroahin’ny reniko izy. Ary i Neny kosa nana- pa-kevitra hoe io alina io dia hamono tena. Vavy tokana aho tamin’izay, ka rehefa avy nampatory ahy izy, dia nankao an-dakozy niaraka tamin’ny basin’i Dada, ary dia niomana izy ny hitifitra, ka teo indrindra aho no taitra ka niantso azy.
Tonga izy hanampy ahy, dia nieritreritra izy hoe hanatanteraka ny fangatahako farany, fa hoy aho hoe mba te-hijery tantara an-tsary ho an’ny ankizy amin’ny fahitalavitra. Nanandrana nandresy lahatra ahy izy hoe tsy misy tantara an-tsary izao fa mbola alina ny andro, izaho kosa nisisika ihany.
Tamin’izay izy dia nieritreritra ny hamela ahy ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny hijery fahitalavitra miaraka amin’ny feo avo be, ka izy kosa hiverina hamita izay nokasainy. Teo indrindra izy no naheno tao amin’ny fandaharana iray atao hoe “Takelaky ny fahamarinana” ary i Pasitera Macedo niteny hoe :”Ianao izay mihevitra fa tsy misy dikany intsony ny fiainanao, ka manambana basy ny lohanao ianao hamono tena, aza manao an’izany. Tongava aty am-piangonana, fa misy vaha-olana ho an’ny fiainanao”.
Raha nahare izany izy dia tapa-kevitra ny handeha any am-piangonana, fa raha mankany amin’ny adiresy atao hoe ‘Abolição’ kosa izy, ka tsy miova ny fiainany, dia hamono tena.
Ny ampitson’iny, notrotroiny aho, satria tsy afa-nandeha intsony noho ilay fivontosana, dia niala tao ‘Saracuruna’ izahay ho any amin’ilay toerana ao ‘Abolição’.
Raha vao niditra ny fiangonana izy, napetrany teo amin’ny seza taty aoriana indrindra aho, ary tonga dia niseho ilay fanahy ratsy tao aminy.

I Pasitera Macedo, izy irery no tao am- piangonana tamin’izay, dia nivavaka ho azy, ary ilay demonia nilaza fa tonga izy hana- potika anay rehetra, ary nisy asan’ny ody ratsy tao amin’ny tongotry ny saribakoliko iray, ody avy amin’ny nenitoako, mba hahatonga ahy ho tapa-tongotra ka ham- palahelo ny ray aman-dreniko.
Tao aorian’ny vavaka dia niantso ahy i Pasitera Macedo mba hamihina ny reniko. Dia nitsangana aho ary namindra, izay tsy azoko natao efa ho fotoana maro izay. Talanjona ny reniko, ary rehefa tonga teo akaikin’ny alitara aho dia tsikaritray fa vaky ilay fivontosana ary niala daholo ny loto tao anatiny.
Nanomboka tamin’izay, efa ho 30 taona izao, ny fianakaviako rehetra dia ao amin’ny Senaklan’ny Fanahy Masina. Nandresy ny toe-javatra sarotra rehetra izahay, ny asan’ny ody ratsy, ary dia nijanona tao am-piangonana. Misy anadahiko sasany zandriko ‘assistants’, ny ray aman-dreniko indray monina ao amin’ny ‘Jardin Botanique’ ao ‘Rio de Janeiro’, ary mpikambana ao amin’ny Senakla ao ‘Botafogo’.
Natolotro an’i Jesosy ny fiainako raha tena mbola tanora aho, nahazo fihaonana tamin’Andriamanitra aho tamin’ny faha-15 taonako, ary androany aho dia manao ny asan’Andriamanitra aty Afrika atsimo efa ho 4 taona izao.

Fabiana Moreira

1 commentaire:

Anonyme a dit…

waoh!

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!