.

.

Andro fahasivy amin'ny fifadian-kanin'i Daniela

Iza no sahy mifanandrina Aminy?

Izay nateraky ny Fanahy, mbola mpitovo ary tsy voafatotry ny fiarahana ara-pitiavana, dia manana tombony raha oharina amin’ ireo izay gadran‘ny fietseham-po.

Miteny izany aho satria manana traikefa amin’ izany .
Fony aho mbola 20 taona, tadidiko tsara fa nanana fotoana kokoa aho hamakiana boky , hivavahana sy hiderana ny Tompo .
Niditra tao an’enfitranoko aho, nohidiako tsara ny varavarana ary toy izay ny nanamafisako ny fiombonako tamin’Andriamanitra.
Sabotsy alina tamin’izay ary raha namaky ny momba an’ i Davida sy Goliata aho dia nisy andininy izay nanintona ahy ka nanome ahy hafaliana tsy misy ohatran’izany.
Rehefa nirahin’ny rainy Davida ho any amin’ireo rahalahiny mba hitondra sakafo sy mba hijery azy ireo. Rehefa tonga tany izy dia nanontany hoe manao ahoana izy ireo. Raha mbola niteny izy dia nisy feo fandrahonana avy amin’ny lehilahy avy ao amin’ny tafika filistinina.
I Goliata, nandritry ny 40 andro, maraina, ny tolak’andro isan’andro dia nitady ny hifanatrika amin’ireo lehilahy rehetra izay an’Israely, mba hiady taminy.
“Rahefa nahita io lehilahy io, ireo rehetra avy tamin’Israely dia nandositra avokoa ka ny tahotra no nameno azy ireo”.
Fa i Davida, tovolahy iray, tsy nanana traikefa ary tsy mahavita na inona na inona ilana azy tao anaty tafika dia tsy natahotra ny haben’io olona izay nirefy teo amin’ny 3 metatra teo no eo na ny fitaovam-piadiany. Ilay mpiandry ondry kely, izay feno finoana velona an’ilay Andriamanitry ny razam- beny niatrika ilay fanamby ka niteny hoe: “Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andria- manitra velona?”
(I Samoela 17-26)
Tsy misy teny afaka milaza ny fahasambarana sy fifaliana izay mameno ny ato anatiko.
Ankehitriny, 45 taona lasa izay, mbola tadidiko foana tahaka ny vao omaly izany.
Tahaka ny hoe niantso ahy ny Fanahin’Andriamanitra mba hihatrika ny afoben’ny Babylona sy ny mpiasany mahatoky izay miafina ao ambadiky ny fitohizam-baovao mahatsiravina.
I Davida dia namono an’i Goliata ary nanapaka ny lohany. Fa ireo fanahin’i Goliata sy Filistina dia mbola mitohy mandrahona eto ambonin’ny Tany ny tafik’ilay Andriamanitra velon’i Abrahama, Isaka ary Israely.
Nefa, ny Fanahin’Andriamanitra, tamin’ny alalanay ato amin’ny Senakla dia nanangana olona avy amin’ny vazan-tany efatra, mitovy fomba fisainana amin’i Davida, mba hiatrika ireo Filistina romana.
Goliata dia fitohizam-baovao mahery vaika izay nirahin’ny tafika romana.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino, hahatakatra, sy ho vita tombokase amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra ary aoka izy ho antsoina andeha hiady.
Ireo izay mino ilay Andriamanitr’i Davida aoka izy hanaraka anay.
Ho an’ireo izay tsy mino, aoka izy ireo hijanonana hifandray amin’ny fitohizam-baovao mahatsiravina ka aoka ho voky amin’izany izy ireo.
Andriamanitra anie hitahy be dia be ireo izay mino.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!