.

.

Andro fahafolo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Lehilahy maherin’i Davida

Davida mpanjaka dia nanana  manodidina ny 40 izay tsy nitovy tamin’ny rehetra. Tamin’ireo lehilahy ireo dia 30 no niavaka ka ny telo tamin’ izy ireo no tena niavaka indrindra.
Ireto avy ireo olona tena niavaka:
1-    Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ny tafika tamin’izy telo .
Nanipy ny lefony teo anivona lehilahy800  izy ka namono azy ireo indray miaraka.
2-     Eleazara  zanak’i Dodo, anankiray amin’ireo telo nihaika ireo Filistina. Nitsangana nanohatra ireo filistina izy ary namely mandra-pahavizan’ny tànany ka efa raikitra tamin’ny sabatra.
3-    Sama: zanak’i Age  Ararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary Israely nandositra teo anoloan’ny Filistina. I Sama kosa dia nijanona teo afovoan’io tany io ka niaro azy sy namono ireo Filistina.
Nisy telo tamin’ireo mpitarika 30 no tonga tamin’ny fotoanan’ny fararano ary nanantona an’i Davida tao amin’ny zohin’ny Adolama. Ireo miaramilan’ny Filistina kosa dia nonina tao amin’ny lohasahan’ny Refaïta. Ireo lehilahy mahery fo telo dia nanafika tao amin’ny sahan’ny Filistina, nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema izay teo anilan’ny vavahady dia nentiny  ho any amin’i Davida.
Ary i Abisay, rahalahin’i Joiada, dia mpitarika ny andiany telo hafa.
Nanipy ny lefony tamina lehilahy 300 izy ka nahafaty azy rehetra.
Izy no nalaza anarana tamin’izy telo. Be voninahitra be izy ary lasa mpitarika azy ireo. Saingy, tsy tafiditra tao anatin’ny telo voalohany izy.
Benaia, dia zanak’i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be izy. Namono ny roa lahy mahery tany Moaba izy.Izy ihany koa no nidina tany an-davaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny.  Namono ilay Egyptiana makadiry be ary Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany. Ilay Egyptianina dia nitondra lefona teny an-tànany nefa namorotsahan’i Benaia tamin’ny tehana ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ilay Egyptianina, ka ny lefona iny ihany no namonoany azy. Izy no nalaza indrindra tamin’izy telo lahy mahery. Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.Davida dia nanendry azy ho isan’ny mpanolo-tsaina azy. 2  Samoela 23
Ny fanontaniana dia ny hoe:  Aiza ho aiza ao no misy anao raha ny finoana no jerena? Sa tsy misy hifandraisana aminao mihitsy amin’izy ireo?

Na dia izany aza, ny Fanahin’Andriamanitra dia mitady lehilahy sy vehivavin’ Andriamanitra manana toetra tahaka izany eo amin’ny finoana, hananganana ny fanjakany  ao am-pon’ireo izay manetri-tena sy tsotra, nefa izay voafandriky ny rangotr’ireo Filistina.
Ny fandehanana aty am-piangonana, ny tsy fivadiana amin’ny am-pahafolonkarena sy ny fanomezana fanatitra dia tsy ampy. Mila manome mihoatra, tena mihoatra noho izany.
Ireo rahalahin’i Davida dia olom-piady, miaramilan’israely. Fa inona no fahasamihafana nitranga rehefa niseho Goliata ? Tsy nisy. Nipetraka izy ireo ary nitsikera an’i Davida mihitsy aza noho ny fananany finoana niatrika ilay olon-goavana.
Ny akamaroan’ireo mpino dia manao izany. Ireo evanjelika, kristianina, tsy mivadika amin’ny fiangonana sy ireo pasiterany izy ireo nefa osa .
Ahoana moa no ahafahan’ilay Andriamanitr’i Abrahama, Isaka, Israely, Mosesy, Josoa, Jefta, Gideona, Davida sy ny maro hafa ihany koa namonjy ireo izay voagadran’i Satana rehefa tsy mahita olona izay vonona hanome ny rehetra Izy… tsy misy vahoaka izay mametraka ny fony ao amin’ilay  Andriamanitr’i Abrahama?
Ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy hoe fitenenana amin’ny teny tsy fantatra, ny fideràna sy ny hira.
 Ny Fanahin’ny Tompo no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy. Isaïa 61:1, Lioka 4:18

Izany no mahatonga ny hoe ny ankamaroan’ny fiainan’ireo kristianina dia mbola ratsy kokoa noho ny an’ny tsy mpino.Mino an’Andriamanitra izy ireo nefa tsy mampiasa ny finoany.     Mino ireo teny fampanantenany nefa tsy mana-pinoana ny hanao fanamby amin’izany mba hahantanterahany izany.
Mino zavatra teorika fotsiny izy ireo fa tsy mampihatra izany. Satria nahoana?
Satria rehefa dinihina, tsy mino akory izy ireo. Kanosa izy ireo!
Vakio, diniho ary fintino ny hevitrao manokana amin’ny alalan’ity andininy ity:
“Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman- kery hamonjy izay manana fo mihitsy aminy…II Tantara 16:9
Ho an’ireo izay mino, mandrosoa. Ho an’ireo izay tsy mino, mijanona any afara miaraka amin’ireo virjiny adala. Matio 25:1-13

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!