.

.

Andro fahavalo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Lire en Français
Andiany Voatsongan’ny Fanahy

Efa hitanao ve hoe ahoana no fiofanan’na miaramilan’ny tafika? Ny fanahy, mihoatra lavitra nohon’ny vatana, ary mandray fiofanana hamehezana ireo fihetsem-po. 

Izany dia mba tsy hananan’ilay olona hindrafo amin’ny fahavalony, raha sendra ady ka tsy hamono azy. Ny miaramila dia nofanina hamotika ny fahavalon’ny tanindrazana.
Na izany aza ny fiofanany akory tsy dia hoe ilay tena tsara indrindra. Rehefa hoe andiany voatsonga, isaky ny mpirotsaka zato dia dimy raha be indrindra no voafidy. Ao anatin’izay dia tena henjana sy sarotiny ny fiofanana atao. Ny fanahy dia efa natao ny tsy hahatsapan’izy ireo ny fanaintainana ara-batana. Eritrereto ary hoe ny tsy fahatsapany ireo fietanam-po!
Raha tsy vitan’ilay miaramila ny mandresy ny fietanam-pony sy ny fahalemeny manokana, ahoana no hiatrehany ny fahavalony ka handreseny azy? Raha tsy mandresy ao anatiny izy, ahoana no handreseny ety ivelany? Mino aho fa ny filozofian’ny andiany voatsonga dia tsy ny hoe maty am-pitolomana. Fa ny hoe mandresy am-pitolomana.
Tsy hafa noho izany ny ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ireo rehetra izay aterakin’ny fanahy dia anisan’ireo Andiany Voatsongan’ny Lanitra.Tsy misy zanaka malemy nohon’ny iray hafa. Mitovy avokoa ny “DNA”n’izy ireo avy amin’ Andriamanitra, mitovy ny Fanahy, mitovy ny hery…Tsy izay ve no inoantsika? “Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” Timoty faharoa1.7
Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no sahy hampidi-kizo hamboraka ny fiainany nohon’ny finoana. Tany aloha dia ohatr’izay, ankehitriny dia ohatr’izay ary any amin’ny ho avy dia mbola ho ohatr’izay.
Fa misy ny sasantsany izay manoatra ny tenany. Tsy mitsitsy ezaka atao izy ao anatin’ny fisoronana ny ainy hoan’ny zavatra hinoany. Ohatr’izay ireo gadita nanampy an’i Davida, hoy ny Baiboly hoe:dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy… ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.”  
Tantara voalohany 12.1-14.
Andriamanitra dia tsy mba nametra hery tamin’ireo mpino Azy taloha ary tsy manao izany ihany koa Izy ankehitriny. Notafiany fitaovam-piadiany ny Zanany hany ka tsy misy irika mihitsy hanjakan’ny fahavalon’ny hazofijaliana. “Fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy;fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay hatsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra” 
Korintiana faharoa 10.4
Ireo nateraky ny Fanahy tsy resy na oviana na oviana. Ny mety ho fatiantoka voavinavina, ny tsy fahombiazana, ny fitaintainana sy ny fahadisoam-panantenana dia fanomanana fotsiny hoan’ny Andiany Voatsongan’ny Fanahin’Andriamanitra.
Ny rehetra dia miasa hahasoa azy! Ny rehetra… Rehefa mandresy izy dia sambatra amin’ny fandresena. Alleloia! Rehefa resy izy, mitomany izy, manenina izy, mimonomonona izy. Fa izany dia hoan’na fotoana iray fotsiny.
Fa any aloha any, hitany koa fa nandresy izy. Ary any dia fanaovana fety. Ny fahafatesana, ireo demonia, ny afobe, ny devoly sy ny zanany dia mifanaikitra amin’ny haromotana rehefa mahita antsika sambatra, faly ary miramirana na dia manoloana ny tafiodrivotrin’ny fiainana aza. Matim-pialonana ny zanak’i Kaina. Izy no nilaza azy ireo ny tsy hisorona tahak’ireo zanak’I Abela?
KKKKKKKKKKKKKKKKKKK.
Vokatr’izany, na dia mandresy na resy aza izy ireo, ireo izay naterak’Andriamanitra dia mandresy hatrany!

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!