.

.

Andro fahafito ambin'ny folo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela

Taona vaovao, fiainana vaovao?
Ny tsirairay dia manantena an’izany, na ireo izay mino an’i Jesosy aza. Fa moa ny fanantenana irery ihany ve afaka manome anao fiainam-baovao amin’ity Taona Vaovao ity?
Ny azontsika atao mba hamaliana io fanontaniana io dia ny mitodika amin’ny lasa. Ireo olona taloha dia nanantena an’izany ihany koa tamin’ny fotoana tahaka izao. Fanantenana mitovy amin’izany. Ary inona no zavatra nitranga? Tsy misy na inona na inona. Ho an’ny ankamaroan’ny olona, vaomaika miha ratsy aza. Fa maninona no izany no mitranga? Satria ny fiainam-baovao dia tsy miankina amin’ny fientanam-po, fa miankina amin’ny finoana arahin’asa. Fa manao ahoana ary izany? Ndao hiverenana kely anie ny fotoana ara-baiboly.
Andriamanitra dia niantso an’i Abrahama mba hanangana firenena izay hiavaka amin’ireo firenena tsy misy Azy. Tany Egypta,  Isiraely zafin’i Abrahama dia niteraka ka tonga firenena lehibe. Nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana tao Egypta ny Tompo ary nanampy azy ireo nanorina firenena  matanjaka sy natahorana indrindra.
Fa noho ny tsy fankatovan’izy ireo,  Isiraely dia niverina tany amin’ny ivo ara-panahy izay nisy an’I Jakoba. Niverina amin’ny maha andevo azy izy ireo tany amin’ireo firenena hafa.
Ny tantara dia mbola miverina. Rehefa salama ara-panahy ilay olona, misy ny fiadanana, ny fahasalamana ary ny firoboroboana,  fa rehefa lavitra an’Andriamanitra kosa, ny devoly no mandray an-tànana ny fiainan’izy ireo.
Efa ho 100 taona lasa izay no niverenan’izy ireo ao amin’ny firenenan’i Palestina, mandrak’ ankehitriny, efa hatramin’ny fotoan’andron’ilay mpaminany Malakia, i Jakoba dia mbola lavo ara-panahy indray. Ireo pretra dia niaina tao anatin’ny fitaka ary toy izany koa no nitranga teo amin’ny vahoaka. Ny tsy fahamarinana, ny fivadihana, ny fanambadiana olona samihafa finoana, ny fisaraham-panambadiana, ny fanopoan-tsampy, ny famosaviana, ny fijangajangana, ny halatra ary izay zavatra rehetra tsy rariny no nataony.  Ary raha nitaraina tamin’ny Tompo izy ireo dia, namaly Izy manao hoe:  Fa izaho Jehovah dia tsy miova. Efa niala tamin’ny didiko hianareo ka tsy nitandrina azy… Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho. Nefa hoy hianareo: Ahoana ary no hiverenanay?
Ary Andriamanitra dia nanome ny tsiambarantelo ho an’ny fiainam-baovao amin’ny taona vaovao: Aoka hianareo hahatoky amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. Malakia 3:6-12
Mazava ho azy!
Ny fanambadiana dia tsy afaka haorina indray raha tsy misy aloha ny fanorenana ny fototry ny fahatokisana ara-panambadiana.
Izany ihany koa no hampiharina rehefa manao fifanekena amin’Andriamanitra.
Amin’ity taona ity, manomboha ny Taona Vaovao amin’ny tsy fivadiahana amin’ Andriamanitra ka izahao toetra ny tsy fivadihany aminao.
Aoka ianao mihitsy no hijery raha marina ny Teniny na tsia!
Ny fahafolon-karena dia manambara tsy fivadihana, izany no mariky ny fiaraha-miasanao amin’Andriamanitra.
Rehefa tsy mivadika Aminy isika, voatery Izy hanao toy izany ihany koa amintsika.
Izany no mahatonga Azy hiteny mafy ny fanahy mpandroba.
Na iza na iza te hanomboka fiainam-baovao dia tokony hahatoky amin’ny fahafolon-karena amin’Andriamanitra aloha.
Raha tsy izany, hanantena fiainam-baovao mandra-pahafatiny izy, ary tsy misy zavatra hiova.
Eritrereto izany!

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!