.

.

Andro fahenina ambin'ny folo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Nandà mafy ny sitrapony i Jesosy

Ny olona sasany mitady ny fankasitrahana avy amin’ny hafa mba hamalifaliana ny maha izy azy.

Ny sasany dia mampiasa ny fieboebon’izao tontolo izao mba hamalifaliana ny fanahiny. Ny sasany dia mandany ny fiainany iray manontolo amin’ny fanenjehana ny fivelaran’ny fiainany manokana. Ny sasany aza dia mamono tena mihitsy noho ny voninahitra izay omen’izao tontolo izao azy. Kanefa ny voninahitra izay omen’izao tontolo izao dia manomboka amin’ny ambany ka mifarana rehefa maty ilay olona.  Anefa ny voninahitra izay omen’ilay Avo indrindra - izay avy amin’ny Toerana Masina - dia maharitra mandrakizay. Miainga avy hatrany avy amin’ilay Loharanon’ny voninahitra, ary tsy mety ritra.
Ny Ray dia nanome voninahitra an’i Jesosy rehefa nandray ny Fanahy Masina Izy rehefa vita batisa tamin’ny rano. Tamin’io andro io, naheno feo avy any an-danitra izy nanao hoe:  Ity no Zanako malalako Izay sitrako. Matio 3.17
Rehefa tonga ny Fanahy Masina, manamarina izany teny izany ao amin’ireo izay vita tombonkase avy amin’ny Fanahy Izy. Tsy misy ifandraisana velively amin’ny fietseham-po na fientanam-po izany, ka ny zavatra ataony dia ny fanomezana antoka. Tamin’ny fotoana iray koa, Jesosy, rehefa torotoro ny fanahiny, tsy nivavaka i Jesosy mba hangataka fanampiana, tsy nionona tamin’ilay toe-javatra izay natrehany Izy.
Mifanohitra amin’izany no nataony, nampiasainy ny Fahalalàna mba handresena ilay fietseham-pony (tebiteby), izany dia lesona ho antsika: Ary ahoana no holazaiko? “ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’iy ora ity? ” nefa izao no nihaviako ho amin’ity ora ity. Jaona 12.28.
Nandà mafy ny sitrapony Izy ka nanao hoe, Ray ô, mankalazà ny Anaranao. Izay midika hoe; Ray ô, Ataoko sorona ny sitrapon’ny nofoko mba ahafahan’ny sitraponao ho tanteraka.
Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa  nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray. Jaona 12.28
Rehefa nahare izany ny vahoaka, dia nieretritra fa kotrokorana izany, hoy ny sasany nisy anjely niteny Taminy. Fa ny zava-dehibe indrindra dia Andriamanitra Ray izay nanome voninahitra ilay Andriamanitra Zanaka teo anoloan’ny vavolombelona maro.
Ny fanatrehan’ny Fanahy Masina dia manome antika ilay hery mba hanao sorona ireo sitrapon’ny nofontsika ary hanantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ary rehefa mitranga izany, ny voninahitr’ilay Ray dia miseho amin’ny alalan’ny Zanany mandrakizay.
Diniho izany!
Andriamanitra anie hitahy hanao mihoatra

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!