.

.

Andro fahavalo ambin'ny folo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Ganagana ratsy tarehy

Fantatro izany atao hoe fiainana tahaka ny ganagana kely ratsy tarehy izany. Manana traikefa aho ny amin’izany fony aho mbola tanora, teo anivon’ireo mpiara-mianatra amiko, tany am-piasana ary na dia tao am-piangonana izay nahafantarako ny Tompoko sy Mamonjiko.
 
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny fihaviako avy amin’ny fianakaviana tsotra.
Raha tsy nahafantatra izany aho, Andriamanitra irery no mahalala hoe taiza no mety hisy ahy ankehitriny.
Nandalo ny atao hoe tsy fahampiana amin’ny lafiny maro aho. Amin’ny lafiny iray, nianatra ny maha zava-dehibe ny fanetren-tena aho, indrindra ny maha zava-dehibe ny fitazonana ny teny izay tenenina. Ireo ray aman-dreniko no noraisiko ho ohatra.
Taty aoriana, izany rehetra izany dia nanampy ahy hino ny Tenin’Andriamanitra. Raha nanome lanjany ny tenin’ireo ray aman-dreniko aho, kanefa olombelona tsy tonga lafatra izy ireo, alaivo sary an-tsaina anie ny teny izay avoakan’ny vavan’ Andria- manitra.
Ankehitriny, isaky ny mahita olona mitafy voronkitsay aho, mijaly , iharan’ny tsy rariny ary nafoy, mahatsiaro ny lasako aho. Na dia tsy mba nitafy voronkitsay mihitsy aho satria ireo ray aman-dreniko dia nanome ahy izay nilaina rehetra ho an’ny fanabeazana anay.Raha ny marina aloha, ny toerana tokana izay nahatsapako hoe olombelona aho fa tsy ganagana ratsy tarehy kely dia rehefa ao an-trano ihany.
Ankehitriny, mety mahatsiaro ho tsinontsinoavina ianao, foana, malahelo ary tahaka ny hoe mitotongana avokoa ny manodidina anao.
Fa i Jesosy dia tonga ho an’ireo olona tahaka ahy sy ianao - ganagana ratsy tarehy kely eo amin’ny fiainana. Ireo olona izay manana fahatsorana, very, ary ambonin’ izany, manetry tena. Raha nahatsikaritra ahy Izy, azo antoka fa mahatsikaritra anao ihany koa Izy ankehitriny. Tsy dia fantatro loatra ny antony mahatonga ahy manoratra izao ho anao. Fa mino aho fa ny fanahiny no nikasika ahy ka mampiasa ahy Izy ankehitriny mba hikasika ny fonao.
Izay nataonao na tsy mbola nataonao dia tsy misy dikany, na dia ireo lisitry ny fahotana vitanao aza ary na dia ilay lasanao mampalahelo sy foana akory aza. Izay eritreretin’ny hafa momba anao dia tsy misy dikany ihany koa…Fa ny tena manan-danja dia izay eritreretiny ny momba tenanao. Tia anao Izy ary maneho izany ho anao amin’ny maha-izy anao rehetra. Fantaro fa: mahita anao izy amin’izao fotoana izao!
Eo am-pamakiana ity ianao, ny Fanahin’i Jesosy dia mandroaka ny vesatry ny helokao, ny fanamelohana anao  sy ireo fahotana vitanao. Ny fomba fieritreretanao dia miova, ilay endrika foana ao anatinao dia miova. Andro vaovao no teraka ho anao. Ny alahelo dia mivadika ho fifaliana ary amin’izao fotoana izao, tsy fantatrao na hihomehy ianao na hitomany.
Misy zavatra manan-kery lehibe mitranga ao anatinao. Ny Fanahy Masina no manamboatra fiainam-baovao ho anao.
Deraina Andriamanitra!
Tonga soa ato anatin’ny fianakaviamben’Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!