.

.

Andro fahenina amin'ny fifadian-kanin'i Daniela



Fanahy Fito

Andriamanitra dia mahatakatra tsara ny olan’ny tsirairay. Izany no mahatonga azy handefa ny Fanahiny ao amin’ireo rehetra izay mitady Azy.

Ireo Fanahy Fito izay voalaza ao amin’ny Bokin’Isaïa dia tsy midika hoe Fanahy Masina Fito. Izy ireo no toetra maneho ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Tsy misy zavatra banga ao aminy ary tsy misy azo ampiana ihany koa.Tonga lafatra tanteraka izy.
Ao amin’ny faminaniana:
“Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny Faherezana; Ny fanahin’ny Fahalalana sy ny Fahatahorana an’i Jehovah”. Isaia 11:02
Ny toetra ireo fepetra  tsirairay dia manambara ny Fahafenoan’ny Fanahy Masina izay manana ny fotony ao amin’ny vatan’ i Jesosy.
Mahafeno ny fepetra nilaina Izy hanoherany ireo fanafihana avy amin’ny afobe tamin’ny fotoana izay niasany teto an-tany.
Nitoeran’i Jehovah Izy, Ny Fahendrena, Ny Fahatakarana, ny fanoloran-tsaina, ny faherezany, ny fahalalany sy ny fahatahorany.
Io fahafenoana io nisy tao amin’i Jesosy izany no mbola tanterahin’ny Fanahy Masina amin’ireo zanany mandrak’ankehitriny. Izy ireo  dia manana ny Fanahin’ny Tompo ihany koa, ny fanahin’ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fanahin’ny fanoloran-tsaina, ny faherezana, ny fanahin’ny fahalalana sy ny Fahatahorana.
Midika izany fa tsy misy olana amin’ny maha olombelona izay tsy afaka vahan’ireo Toetra fiton’ny Fanahy Masina ireo. Ao amin’ny Tompo amin’Ny Fahendreny, Ny Fahatakarany, ny fanoloran-tsainany, ny  faherezany, ny fahalalany sy ny fahatahorana ny Tompo, misy ny vahaolana ho an’ny olana tsirairay n’inona n’inona fisehoany eto an-tany.
 Ny olanao ihany koa dia tafiditra ao anatin’izany!
Marina fa mbola tsy tanteraka isika,
“Mandram-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana  sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy, mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”  Efesiana 4:13-14
Fa tsy midika izany hoe ny fahafenoan’i Jesosy Tompo dia tsy mbola ao anatintsika.
Mety hoe olona manankarena indrindra eto an-tany ny olona iray. Ny harenany dia hoan’ireo zanany mbola tsy ampy taona.Fa rehefa ampy taona izy ireo vao afaka mandray ilay harena.
Izany no mahatonga ny hoe ireo zanak’Andriamanitra dia mila matotra amin’ny finoana .
Ny fahafenoan’ny Fanahy dia hita ao amin’ireo zanany sy ireo mpanompony. Fa tsy ny olona rehetra akory no mahatakatra izany zavatra lehibe izany noho ny mbola maha zaza azy ara-panahy.
Ny famoianaran’izany hoan’ireo zaza ara-nofo dia tahaka ny manary vatosoa eo imason’ny kisoa.
Mba hamintinana izany rehetra izany: tahaka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina izay nitoetra tao amin’i Jesosy, mitoetra ihany koa izy ireo ao amin’ireo olona izay nateraka sy izay vita tombonkase avy tamin’Andriamanitra.
Izany no mahatonga ny hoe ireo fanati-pisoronana rehetra izay omen’ny olona mba handraisana ny Fanahin’Andriamanitra dia misy lanjany raha ampitahaina amin’ireo Fanatitra izay omen’Andriamanitra. Ny rehetran’Andriamanitra no takalon’ny fanatitra tsy misy lanjany izay omentsika .
Iza no afaka mahatakatra izany mistery  avo lenta be izany?
Rehefa hitranga izany, dia ho tanteraka ny tenin’i Jehovah manao hoe:” Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: “Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny Tanàna maro ho avy; ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany anin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: “Aoka handeha  tokoa isika hifona amin’i Jehovah sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro; izaho koa mba handeha”. Dia hamaly isika manao hoe:  “Eny, izaho ihany koa mba andeha!”
Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema, sy hifona amin’i Jehovah.
Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Amin’izao andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sissin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra”. Zakaria 8:20-23 

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!