.

.

Andro fahadimy amin'ny fifadian-kanin'i Daniela

 
Andro faha dimy

Karazana Fanatitra Roa
Ny Fiaran’ny Fifanekena dia nalain’ireo Filistina rehefa niady tamin’Israely izy ireo. Izany dia nanambara ny mari-boninahitr’Israely. Nandritry ny 7 volana izay notazoman’ireo Filistina ilay Fiara dia tratran’ny aretina, fahafatesana ary loza izy ireo.

Ny Fiaran’ny Fifanekena dia masina. Izany dia nanambara ny fanatrehan’ Andriamanitra teo amin’ny Vahoakany, tahaka ny hoe am-pahafolon-karena sy ny fanatitra amin’izao fotoana iainantsika izao. Ireo izay mitazona izany dia tratrana fanahy maloto izay mitondra ozona ho azy ireo.

Izany no mahatonga an’Andriamanitra miteny ireo vahoakany mba hitondra ny am-pahafolon-karena sy ny fanatitra ao amin’ny Trano firaiketany ary avy hatrany izy dia mampanantena ny handrahoana ieo fanahy mpandroba, izany no ozona sy pesta izay mahazo ireo izay mpangalatra.

Noho ny ozona izay tonga teo amin’izy ireo tamin’ny fangalarana ilay Fiara, nanapa-kevitra ireo Filistina ny hamerin’izany tamin’Israely. Nampaka ny mpisorona sy ireo mpanao fankatoavana izy ireo mba hanontany toro-hevitra amin’ny fomba famerenan’azy.Na dia fantatr’izy ireo aza fa nanompo ny devoly izy ireo dia fantatr’izy ireo fa raha tsy manao fanatitra ho fangatahana famelan-keloka izy ireo dia tsy ho tapitra mihitsy ireo loza manjo azy ireo.

Noho izany, niteny izy ireo: ”…araka ny isan’ireo  andrianan’ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo. Koa manaova sarin’ny vainareo sy sarin’ny totozinareo izay manimba  ny tany; ary omeo voninahitrany Andriamanitry ny Israely…”
I Samoela 6-1-5
Ny fanati-pisoronana ho amin’ny fiampangana dia tsy maintsy atao.
Ny mpanjaka Davida dia tsy maintsy nanao sorona mba nanalana ny ozon’ireo loza izay nahakasika ireo vahoakan’Israely.

Andriamanitra dia tsy maintsy nanao sorona an’i Jesosy zanany mba nanalana ireo ozona izay nanjo ny olombelona iray manontolo.

Ireo izay maniry ny ho fenon’ny Fanahy Masina dia mila misorona ny sitrapony manokana, ny faniriany mba ahafahany mahazo azy.

Izany karazana fanatitra izany dia fanehoam-pinoana izay mitaky fankatoavana.Na ilay olona mino ka manao sorona ary afaka amin’ireo loza noho ny fankatoavany, na izy ireo hijaly nohon’ny vokatr’ireo loza avy tamin’ny alalan’ny tsy fankatoavan’izy ireo.

Ny fanati-pisoronana dia tokony hatao. Izany dia tombontsoa manokana izay ahazoana ny famonjena na ihany koa loza izay ahazoana ny fanamelohana mandrakizay.  

Ireo fitahiana dia azo avy amin’ny alalan’ny sorona izay atao noho ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Amin’ny lafiny iray kosa, ireo ozona dia tonga noho ny tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Zavatra iray aloha dia azo antoka: na mankatoa ny tenin’ Andriamanitra ianao na tsia, ny sorona dia tsy maintsy hatao. Na mitondra famonjena izany, na mitondra fanamelohana.

Ireo izay misorona dia mankatoa. Ireo izay mankatoa ka misorona dia ho voavonjy. Ireo izay tsy misorona kosa, dia tsy mankatoa. Ireo izay tsy mankatoa dia tsy misorona ka ho heloina ao amin’ny Farihy mirehitr’afo sy solifara.
Na dia izany aza ny fanatitra an-tsitrapo dia haingam-panahy avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny fanati-pisoronana ho amin’ny fiampangana, rehefa manome fanatitra izay ny Fanahy no manome haingam-panahy hanao izany, izany dia midika fahadiovam-po sy ny fahalebiazan’ny fo. Izany dia maneho fitiavana, fitiavana manome sy fahatokiana tanteraka amin’Andriamanitra. 
Izany karazana fanatitra omena izany dia ireo izay manome nefa tsy miandry zavatra ho takalon’izany. Manome amin’ny finoana izy ireo, noho ny fitiavana… manome amin’ny fo feno fitiavana. Izany dia antsoina hoe fanatitra an-tsitrapo satria Andriamanitra no manome haingam-panahy hanao izany.
Tamin’alalan’i Paoly, ny Fanahy masina dia nampianatra momba ny fanatitra rehefa nilaza izy hoe: Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.
2 Korintianina 9:7
Maniry te handray ny fiainana be dia be avy amin’ny Andriamanitra ve ianao?
Dia mila manao sorona tanteraka ny rehetranao aloha ianao.
Ny rehetranao no ho takalon’ny Rehetrany.
Ireo izay mino, amen. Ary hoan’ireo izy tsy mino kosa, inona moa no afaka holazaiko mihoatra izany
Fanamarihana: Tato ato ny tranonkalako dia tsy dia nisy hafatra vaovao loatra mba ahafahan’ireo mpamaky hamaky izany, hamerina hamaky sy handinika ireo hafatra voalaza ao.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!