.

.

Andro fahafito amin'ny fifadian-kanin'i Daniela

Nofo ho tonga Fanahy 

Sarotra ny mamela ny fanirian’ny nofo, satria ny olombelona dia mora tohina be noho ny fientanam-po.
Ny fifanoherana eo amin’ny Fanahy sy ny nofo dia mahafaty. Ny tena ratsy aza : maty, tsy misy fanafany mandrakizay.

Firifiry ny fifandraisana ara-pitiavana no mifarana amin’ny fahafatesana? Firifiry ny famonoan-tena ? Firifiry ny tratrany? Nahoana?  
Tsotra fotsiny, satria ny olona mora tohina dia milavo lefona eo anatrehan’ny hetraketraky ny fientanam-po. Dia manjary voagadran’ny fo mpamitaka izy ireo. Tena mafy tokoa ilay fientanam-po ka tsy niezaka akory izy ireo handinika, na dia fotoana iray aza.
Mihevitra izy ireo fa tsy hisy farany ireny fotoanan’ny fampahoriana lalina ireny. Heveriny fa ilay “fitiavana” very dia midika hoe tapitra hatreo ny fiainany.
Nefa, ny fotoana no tompon’ny saina, ka ho hitan’izy ireo any aoriana any fa tena adala izy ireo; natahotra tamin’ny kisendrasendra izy ireo ka nandany ny fotoany sarobidy.
Raha nitomany izy ireo, ny devoly kosa nikakakaka nihomehy…
Noho izany, tena ilaina ny hahatonga ny toetra maha-olombelona ho toetran’ Andriamanitra, ny fanahy velona ho Fanahy mahavelona, ny fientanam-po ho fisainana, ny nateraky ny nofo ho hateraky ny Fanahy.
Rehefa izany, ireo kristianina dia tsy ho resy eo amin’ny ady amin’ny satana intsony mihitsy, na fanoherana ny fahotana. Satria ny devoly, izay fanahy, dia manana tombony amin’ireo izay miaina ara-nofo. Fa raha fanahy ny Kristianina, ary ny tena tsara dia fanahy miaraka amin’ny “ADN”-n’ny Fanahy Masina, dia vita tanteraka ny an’ny devoly sy ny afobeny.
Tsy afaka ny ho resy intsony ilay olona. Tsy maintsy mandresy amin’ny zavatra rehetra izy. Mandresy ny devoly, mandresy ny olana ara-pitiavana, mandresy ny fahazaran-dratsy, mandresy ny avonavona, mandresy ny fahotana, mandresy izao tontolo izao, ary farany, mandresy izy satria zanak’ Andriamanitra, ary manana ny fahefany ao anatiny.
Izany indrindra no ampianarin’i apostoly Jaona
“Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena  izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” 1Jaona 5.4.
“Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.”
1Jaona 5.18.
Bahhh!!! Tena”trilegal”*, hoy ry zareo “Gauchos”*

*trilegal : avo telo heny ny fahatsarany
Gauchos : mponina any amin’ny faritra iray any Brezily. 

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!