.

.

Andro fahasivy ambin'ny folo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Fandanjalanjana ny finoana.

Ny asan’ny nofo :
Ny fijangajangana - ny sitrapon’ny nofo mba hanome fahafaham-po ny  vatana;

Ny fahalotoana – fikomiana manohitra izay lazain’ny fanahy ho madio sy marina;

Ny fijejojejoana - ny fanomezana fahafaham-po amin’ny filan’ny nofo; ny faniriana ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy misy fandraisana andraikitra ;

Ny fanompoan-tsampy - ny fanompoana olombelona, vola, sary sikotra na sary, ny fanompoana na ny fametrahana zavatra iray ho ambony noho Andriamanitra Tompo.

Ny fanaovana ody ratsy - ny fanaovana fombafomba maizina toy ny famosaviana, ny ozona, ny fiantsoana fanahy ratsy, ny fanaovan-tsorona sakafo, zava-pisotro na biby na ihany koa olombelona amin’ireo mpanao ody gasy na ireo fanahy maloto. Ny fankalazana na ny fahatsiarovana ny andro manokana an’ireo olona izay lazaina ho masina;

Ny fandrafiana - ny lolom-po, ny fankahalana, ny haratsiam-panahy na haratsian-toetra;

Ny fifandirana - ny fanomezana fialan-tsiny lava, ny ady tsy misy fiafarany, ny adiady, ny fifandonana;

Ny ady lahy - ny fitaintainana vokatry ny fiahiahiana, ny fatahorana ny rafy eo amin’ ny fiainana ara-pitiavana na eo amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainana, ny fahalemena;

Ny fialonana - ny fahakiviana, ny hatezerana na alahelo noho ny fahombiazana na ny fifalian’ ny hafa, ny faniriana mafy zavatra iray tian’ny hafa;

 Ny hatezerana - ny fiafonafonana, ny haromotana, ny faniriana te hamaly faty;

Ny fisarahana - Ny tsy fifanarahana, ny tsy fahaiza-miaina, ny disadisa, ny tsy fitovian-kevitra, ny ady sns…

Ny fifanoherana - ny tsy fifanarahana, ny tsy fifanarahan-kevitra

Ny fitokotokoana - ady eo amin’ny vondrona ara-pivavahana, mpanao fanatan- jahantena, ny antoko politika, sns.;

Ny fahamamoana - ny fisotroana toaka diso tafahoatra, ny fanampoizinan-tena, ny fahazaran-dratsy amin’ny toaka,

Ny hatendahana - ny fihinana diso tafahoatra loatra, ny fahazotoan-komana tsy misy fetra, ny fihinana mihoatra noho izay zakan’ny vavony, sns …
… ary toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Galatiana 5:19-21

Ny vokatrin’ny Fanahy Masina

… fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po (fahamoram-panahy), fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy,  fahononam-po,; tsy misy lalàna manohitra izany. Galatiana 5:22

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!