.

.

Andro faharoapolo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Ozona manaranaka

Fanjakana roa, faritra roa, tompo roa.
Ny Fanjakan’ny Mazava X ny fanjakan’ny aizina;
Ny tanin’Andriamanitra X ny tanin’ny devoly; 
Ny Tompo Andriamanitra - Rain’ny Zanany rehetra X ny tompo sy rain’ny zanak’izao tontolo izao.

Iza no tompon’ny fiainanao? Fanjakana aiza no misy anao?

Mety mbola tsy tanteraka hatramin’izao ny nofinofinao, fa raha ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra no misy anao, mialoka ao ambanin’ny fialofany ianao. Tsy misy zavatra hitranga eo aminao raha tsy ilay Avo Indrindra no mamela izany.
Ary raha kisendrasendra zavatra ratsy no manjo anao, rehefa mandeha ny fotoana, ho takatrao fa mahasoa anao izany.
“Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, dia tsy hihatra aminao izany.” Salamo 91-7
Izany dia midika fa ireo izay mandao ny Fanjakan’ny Mazava dia tsy manana izany fiarovana izany intsony. Izany hoe mazava ho azy fa miditra ao anatin’ny fanjakan’ny aizina izy. Manomboka eo,  na inona na inona safidy ataony, na dia tahaka ny hoe mety aza izany, dia ho ratsy ka hisy fiantraikany  lehibe amin’ny farany: fijaliana, fanaintainana ary ny tena loza, ny fahafatesana mandrakizay.
I Jesosy dia nilaza,”Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina …” Jaona 8-12
Izany hoe: ireo izay tsy manaraka Ahy, dia mandeha amin’ny maizina.
Karazana fiarovana manao ahoana moa no hita ao amin’ny maizina?
Betsaka no mihazakazaka ka misafidy ny hanambady ilay olona tsy tokony hovadiany. Tsy ela akory anefa dia misaraka izy ireo ary manambady olon-kafa indray. Rehefa aty aoriana kely, misaraka izy ireo ary manambady olon-kafa indray. Satria tsy tompon’ny tenany izy amin’ny fitadiavana ny fahasambarany, miovaova vady foana izy ireo ka tsy mahavita mijanona amin’ny olona iray, izany dia fahazaran-dratsy miverimberina izay avy amin’ny afo be.
Ny tena loza dia, rehefa mandeha amin’izany làlana izany ilay olona, ireo zanany dia manjary voasarika amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Inona moa no mba ho avy hananan’ireo zanaka amin’izany? Hafa ny rainy androany, ray hafa indray rahampitso toy izany koa ny afak’ampitso, dia hafa hatrany hatrany … 
Ireo zaza ireo dia handova izany ozona izany ka hamindra izany any amin’ny taranaka fara aman-dimby: ozona manaranaka.
Rehefa tsy mandinika ny saina, ny vatana sy ny fanahy no mizaka ny vokatry ny afo be.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!