.

.

Andro faharoa amin'ny fifadian-kanin'i Daniela



Rehefa miresaka momba ny batisan’ny Fanahy Masina, tonga avy hatrany ao an’tsainan’ilay mpino ny hoe miteny amin’ny fiteny tsy fantatra.

Tsy misy izany hoe hetaheta te ahafantatra an’Andriamanitra izany, na koa hoe faniriana ny hiova fiainana ary na dia mba faniriana kely ny hanompo amin’ny maha-tempoly ny Fanahy Masina akory aza. Ny hany faniriana tokana misy dia ny hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra.
Izany hetaheta ”masina” izany dia tsy misy hifandraisana mihitsy amin’ Andriamanitra. Azo lazaina hoe, fanehoana faniriana diso tsotra izao izay afafin’ireo fanahy mpamitaka izany. Izany dia irika idiran’ny fanahin’ny fientanam-po, ka ao anatin’izany dia manararaotra izy ireo mba hamitahany ireo zay tsy mailo amin’ny fihetsem-po hafahafa izay miafara amin’ny fiteny  somary hafahafa.
Izany mihitsy no mahatonga ny ankamaroan’ny olona ao anaty ivon’ny “fianjer ana” sy ny fandehanana amin’ny tongotra efatra, tahaka liona iray ao anatin’ny toerana izay misy biby maro.
Ireny hevitra hafahafa ireny dia mitranga indrindra noho ny tsy fahampian’ny Fanahy ny Fahamarinana.
Ny faniriana ny handraisana ny batisan’ny Fanahy Masina dia tsy tokony, na inona antony hanana tanjona ny hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Raha toa ka miteny ilay olona na lahy na vavy, tahaka ny voalaza ao amin’ny baiboly, amen.Raha toa ka tsy miteny ilay olona na lahy io na vavy, inona moa no olana amin’izany? Ny fanahin’Andriamanitra dia manda ny teny amin’ny fiteny hafa. Ny tsy fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy tokony ho antony hisalasalana sy sakana hoan’ ny fiasan’ilay Tsitoha.
Ny  batisan’ny Fanahy Masina dia tsy manana tanjona ny mba hitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra,  fa kosa mba hampiasain’ireo mpanompon’Andriamanitra hanao ny sitrapony sy hanantanteraka ny asany.
Fanampin’izany dia, ao amin-tontolo lo sy miatsaravelatsihy, feno tolotra miafina izay voasaron’ny afobe, ahoana moa no ahafantarana ny ratsy sy ny tsara?
Ahoana no ahafantarana ny olona izay tokony ho fofom-badintsika sy hovadiana, araka ny sitrapon’Andriamanitra?
Eo amin’ny sehatra asa inona moa no ilaivana ahy kokoa ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?
Fiangonana iza moa no avy amin’Andriamanitra marina?
Ahoana no ahafantarana lehilahin’Andriamanitra tsy izy amin’ny tena izy; raha toa ka ny rehetra miteny na mitory araky ny Teniny?
Ahoana no hanasarahana ny varim-bazaha amin’ny tsiparifary?
Ahoana no hamantarana ny feon’Andriamanitra sy ny devoly?
Ireny karazana fisalasalana ireny dia afaka vahana tsara rehefa manana ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina.
Iza moa no mendrika kokoa no Izy mba hitondra ny Zanany ao amin’ny lalan’ny fahamarinana?
I Jesoy Tompo dia nilaza: “Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalàna anareo ho amin’ny marina rehetra”. Jaona 16-13
Ah! Andriamanitra sy raiko ô, amin’ny Anaran’ny Jesosy Tompo, ambeno ny Vahoakanao amin’ireo fanahin’ny antikristy sy ny famitahana.
Amen.   

> retour aux messages         

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!