.

.

Andro voalohany amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Lire en français
Ary dia misokatra ny lanitra…

“Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin' Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.” Matio 3.16


Ny Fanahy Masina dia hoan’ireo izay foana, mila, ary indrindra indrindra ireo izay mangetaheta ny fitarihan’Andriamanitra. Izany dia hoan’ireo mpandeha izay mitady zavatra ambony kokoa noho izay azon’izao tontolo izao atolotra.

Tsara izany. Jesosy dia tonga niaraka tamin’na iraka miavaka. Na dia izany aza, dia nila nandoa ny vidiny Izy. Nisorona Izy. Nandà ny fianakaviana, ny fahatanorana, ny fofom-bady sy ireo namana mba ahafahany manatanteraka izany. Koa raha nila ny fitarihan’ny Fanahy Masina Izy mba hanatanterahana izany, eritrereto ary hoe ireo izay maniry ny hanao ny Sitrapony sy hanatanteraka ny Asany.

Fa ny tena tsara amin’izany anefa dia talohan’ny nandraisana ny Fanahy Masina, dia efa noaingan’ity farany sahady ny Sainy sy ny Fony.

Zavatra toy izany koa no mitranga amin’ireo izay milona ao anatin’ny finoan’ny fifadian’i Daniela. Mieritreritra ve ianao fa ilay faniriana lehibe handray ny Fanahy Masina dia tongatonga fotsiny amin’izao. Tsia! Aman’arivony tsia! Teraka ao anatinao amin’ny asan’ny Fanahy Masina manokana izany.”Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.” Filipiana 2.13

Noho izany, tahakan’ny nisokafan’ny lanitra tamin’i Jesosy, dia io lanitra io ihany koa no misokatra aminao mba handraisana an’ilay Fanahin’Andriamanitra mitovy. Ny farany izany, dia Izy no ilay fampanantenan’i Jesosy Tompo  hoan’ireo izay manaraka Azy.

Mazava ho azy fa tsy hahita voromailala hidina eo amin’ny lohanao ianao, tsy hahatsapa na inona na inona ianao ary tsy hiteny akory amin’na fiteny hafahafa  aza. Tsy maninona. Tsy misy manan-danja amin’ireo.

Ny zava-dehibe dia: Raha misy ny fandàvana tanteraka an’izao tontolo izao (fifadiana ao an’eritreritra), ary ny fahatsoram-po ao anatin’ilay fitadiavana, noho izany, eo dia misy ny finoana. Ary raha misy ny finoana, dia misokatra sahady eo ambonin’ny lohanao ny lanitra.

Ary koa:

“Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” II Tanatara 16.9

Fandinihana: Mitadiava toerana mitokana.

Avy eo, ataovy ity vavaka ity:

Andriamanitro sy Raiko ô, amin’ny anaran’i Jesosy Tompo, miditra ao amin’ny Fanatrehana aho mba hitady sy handray ilay fampanantenana izay milaza hoe amin’ny andro farany no androtsahan’ny Tompo ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra. Jaona mpana batisa dia nampianatra fa i Jesosy Tompo no manao batisa amin’ny Fanahy Masina. Noho izany miangavy anao aho, ry Tompoko, Mpamonjiko ary Andriamanitr’ô! Ataovy batisa aho IZAO AMIN’NY FANAHINAO MASINA.

Amen

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!