.

.

Andro fahatelo amin'ny fifadian-kanin'i Daniela


Lire en français  
Ny Toetran’Andriamanitra 

Ny ankamaroan’ireo lehilahy dia tsy mahazaka faheresena, fa raha te hitsapa toetran’ olom- belona ianao, omeo fahefany izy - Abraham Lincoln.
Ny toetran’olona iray dia misy ifandraisany amin’ny foto-pitsainany ara-moraly, araky ny maha izy azy ary ny fitondran-tenany. 
Ireo izay nateraky ny Fanahy Masina irery ihany no afaka maneho ny toetran’Andriamanitra, ary izany no mitranga satria Ireo zanany dia tonga olona ara-panahy. Jaona 3.6 
Ilay toetrany mifono fietanam-po na ara-nofo dia miova ho toetra mahay mandajanlanja na ara-panahy.
Izany no mahatonga ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana ary indrindra ireo mpino mpanaraka fomba fomba manontany tena hoe fa maninona izy ireo no tsy mbola miaina ilay fiainana izay mifanaraka amin’ny finoana  kristianina.
Ny fitondran-tenany dia hafa rehefa ao am-piangonana ary hafa tanteraka mihitsy rehefa any ivelany.  Rehefa ao am-piangonana izy ireo dia mandeha amin’ny fahamarinana, mahalala fomba ary raha jerena ety ivelany dia ohatrany hoe ara-panahy izany.
Rehefa any an-trano, any am-piasana ary rehefa eo anivon’ireo namany izy dia nateraky ny nofo, tsy mahalala fomba ary mora misendaotra aman’olona.
Izany no mitranga rehefa mbola tsy nateraky ny Fanahy masina izy ireo. Tsy mbola manana ny toetran’Andriamanitra izy ireo. Resy lahatra izy ireo ny amin’ny fahamarinana , anefa tsy mbola niova fo ao amin’i Jesosy Tompo. Ny toetrany dia mbola miteny amin’ny tenany ihany.
Ny olombelona dia manana toetra feno fientanam-po ara-boajanahary - izany dia efa niantomboka tamin’i Adama sy Eva.
Ny toetra avy amin’Andriamanitra dia olona izay manana toetra izay nateraky ny fanahy, toetra iray izay manana ny fiaviany avy amin’i Jesosy. Izy dia tsy mba noharian’ Andriamanitra; Izy dia nipetraka tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izany hoe ilay fanahy izay velona. I Korintianina 15-45
Ireo dingana nampiasain’ny Fanahy Masina ireo tamin’ny fahaterahan’i Jesosy dia tokony hitranga amin’ireo mpianatr’I Jesosy tsirairay avy. Raha tsy izany dia mbola hanana ny toetra amin’ny maha Adama azy izy, ary mbola ratsiratsy kokoa noho izany aza, tsy ho raisina tahaka ny hoe zanak’Andriamanitra izy ireo. Jaona 1.13
Izany dia ilay fomba fiasa mahagaga ny Fanahy Masina:
Izy dia mahatonga azy ireo ho naterak’Andiamanitra
Ary hoan’ireo izay efa naterak’Andriamanitra kosa, tonga izy mba hametraka ilay Tombon-kase avy amin’Andriamanitra. Izany no batisa izay efa nampanantenain’i Jesosy.
Ireo Apostoly voalohany dia naterak’Andriamanitra rehefa nanisy ny fofonaina tamin’izy ireo i Jesosy. Jaona 20.22
Fa tamin’ny andron’ny Pentekosta izy ireo vao vita batisan’ny Fanahy Masina.
Asan’ny Apostoly 2.1
Araky ny hitanao, ny tanjon’ny Fanahy Masina dia tsy ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra, fa mba hamafazana ao aminao ny toetran’ilay Zanany: dia I Jesosy izany.  

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!