.

.

Ny toetra arakan’Andriamanitra


Rehefa mitoetra ao anatin’ny olona iray ny Fanahy Masina, dia misy, amin’ny fomba natoraly, toetra iray mihoatra ny an’ireo izay tsy manana Azy. Toetran’Andriamanitra izany. Noho izany antony izany, Noa, Joba, Daniela dia mpanompo izay, nihoatra noho ny rehetra. Ny tantaran’i Noa, ohatra, dia voafaritra tao anatin’ny andian-teny iray: “…Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.” (Genesisy 6:9)
Joba dia tsy hafa amin’izany. “Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza, Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.” (Joba 1:1)
Daniela ihany koa, na dia babo tao Babylona aza, dia nanapa-kevitra fa “….tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony…” (Daniela 1:8) Izany hoe, tsy nandoto ny tenany tamin’ny fihinanana ny sakafon’ny mpanjaka izy, fa nanava-tena, ka mihoatra noho izay aza amin’ny fahotana hafa.
Ny toetra arakan’Andriamanitra dia toy izao:
1-     Marina sy tsy misy tsiny – fifandraisana amin’ny namana
2-     Matahotra an’Andriamanitra – fifandraisana amin’Andriamanitra; ary
3-     Nifady ny ratsy – fifandraisan’ny tena amin’izao tontolo izao.
Ireo rehetra izay miaina eo ambonin’ireo fepetra telo ireo dia afaka miaina eto amin’izao tontolo izao ary mahazo ny fiainana mandrakizay. 


=====================
 
Lorsque l’Esprit de Dieu habite en quelqu’un, il existe, d’une manière naturelle, un caractère qui excède celui de ceux qui ne L’ont pas. C’est le caractère de Dieu.
Noé, Job et Daniel furent des serviteurs qui, pour cette raison, ont dépassé les autres.
L’histoire de Noé, par exemple, se résume en un seul verset: Noé était un homme juste et intègre dans son temps; Noé marchait avec Dieu.” (Genèse 6:9)
Job n’était pas différent. “Il y avait dans le pays d'Uts un homme qui s'appelait Job. Et cet homme était intègre et droit; il craignait Dieu, et se détournait du mal.” (Job 1:1)
Daniel lui aussi, même en étant prisonnier à Babylone, décida, “…de ne pas se souiller par les mets du roi et par le vin dont le roi buvait…” (Daniel 1:8). En d’autres termes, s’il ne s’est pas souillé en mangeant les mets du roi, il se préservait, à plus forte raison, des autres péchés.
Le Caractère Divin se résume ainsi:
1 – Juste et Intègre – relation avec son prochain;
2 – Il craignait Dieu – relation avec Dieu; et
3 – Se détournait du mal – relation de soi vers le monde.
Tout ceux qui vivent basés sur ces trois paramètres, survivront dans ce monde et obtiendront la vie éternelle.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!