Mme Mampianina
Ny rehetrako X Ny rehetran’Andriamanitra
Mampianina no anarako. Ny tantarako dia tantaran’na tolona sy faharetana. Nahitana “kyste” aho teo amin’ny “ovaires”-ko, ka noho izany dia tsy maintsy nodidiana aho. Nampahafantatra ahy ary teo ny dokotera fa tsy afaka miteraka intsony aho ary to no nanomboka ny fotoana ratsy indrindra teo amin’ny fiainako. Izaho sy ny vadiko, dia nandalo fotoana sarotra feno alahelo. Na ny fianakavianay, na ny namana, na ny mpifanolo-bodirindrina taminay aza dia nanamavo anay ka indraindray maneso mihitsy aza ny toe-javatra niainanay. Tena sarotra sady nahamenatra izany hoe tsy afaka manan-janaka intsony izany, ka nahatsiaro ho toy ny vehivavy tsy misy lanjany aho. Izany koa moa dia niteraka fikorontanana kely teo amin’ny fanambadiako. Rehefa nahafantatra ny FVKFM aho dia efa lany avokoa ny heriko rehetra, voahetry sy nahilikiliky ny hafa. Tonga teto amin’ny Senaklan’ny Fanahy Masina aho rehefa nasain’ny namako, ka rehefa narahiko ny tenin’ny pasitera rehetra, rehefa nianatry ny tsy manaiky ny tsy rariny ka hankahala ny zavatra rehefa mampahory. Tamin’ny fotoanan’ny Ezaky ny Tany Masina, izaho sy ny vadiko dia nanapa-kevitra fa hitsahatry ny hiaina ao anatin’ny henatra. Feno ny fikomianay ary tao anatina fotoana fahatezerana no nanapahanay hevitra fa hivarotanay ny entana rehetra tao an-trano; na dia ny fandriananay aza. Ny rehera! Izay no sorona: na ny rehetra, na tsy misy. Ka napetrakay teo amin’ny alitara izany. Afaka saintsainao ny tohiny tao aoriana: fanenjehana, tsikera, fandrahonana… nefa izany rehetra izany dia mendrika ny vokany. Nanao fahagagana tao amin’ny fiainanay izay nanaitra ireo rehetra nitsikera i Andriamanitra. Bevohoka aho ka nahazo vavy kely, nifanohitra tamin’ny kajikajy sy tenin’ny dokotera. Ankehitriny, tanteraka ny nofinofinay, ary izay rehetra namidy natao sorona dia naverin’Andriamanitra avo roa heny taminay. Ho Azy irery anie ny voninahitra. Mme Mampianina

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire