.

.

Ny rà dia Manana Feo


Misy feo maro erak’izao tontolo izao. Misy mihitsy aza hiakam-panaintainana-avy amin’ireo mijalin’ ny tsy rariny, hanoanana, ireo atao tsinontsinona, ireo nafoy, ireo very hevitra, ny farany…
Maro ireo izay manandratra ny feony. Kanefa vitsy no re.
Inona no mahasamihafa an’ireo feo maro ireo?
Ny fahasamihafana dia ao amin’ilay feo izay tsy mety mangina na oviana na oviana; ilay maharitra ary miakatra,miakatra hatrany ny hamafiny arakarakin’ny mahataraiky ny valiny.
Izany no feon’ny rà.
Izany dia tsy vavaka, fiangaviana na fitalaoana. Ireo dia manaikymiandry.
Fa ny feon’ny rà dia miantsoantso. Miantsoantso satria mandà ny miandry. Ny tanjony dia ny hovaliana eo no ho eo.
Ny feon’ny rà dia miantsoantso, mitaraina sy mitaky. Na ny fahafatesana aza dia tsy afaka mampangina azy. Na Andriamanitra aza dia tsy afaka mahatohitra ireo antsoantsony.
Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany. (Genesisy 4:10)

Ny rà dia manam-peo, ary izany feo izany dia tsy hangina na oviana na oviana.
                                                                             > lire en français

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!