.

.

Rakitra Soa Manokana I


Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny, (Rakitra Soa Manokana) amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” 
(Malakia 3:17-18) 

Andriamanitra dia Ilay Mpahary Tsitoha, Tompo Tsitohan’ny Lanitra sy izao rehetra izao. Ny voninahitra sy ny harena rehetra ary ny famirapiratanana dia Azy, ary Azy ihany.
Rehefa milaza Izy fa “ho Ahy ireny, izany hoe Rakitra Soa HO Azy Manokana, dia midika fa ny sisa rehetra amin’ny famoronanana dia ambanin’io Rakitra Soa Manokana io.
Minoa ahy raha tianao fa, ny mandrakizay aza mbola tsy tsara noho io Rakitra Soa Manokana io.
Ka mba hahatonga izany ho Rakitra Soa Manokana, dia tokony mbola ho sarobidy lavitra noho ny Famoronany zavatra rehetra izany. Raha tsy izany, dia tsy misy dikany ny ilazana azy fa Rakitra Soa Manokana.
Andriamanitra dia nahary ny zavatra rehetra tamin’ny fampiasana ny Teniny. Nefa, rehefa nanao ny olombelona Izy, ny Asa-tanany, dia nampiasa ny Tànany Izy. Io ihany no zavatra tokana nataon’ny Tànany.
Somary hafahafa nefa, fa ilay voariny tsara indrindra no nikomy sy nihodina Taminy: ny olombelona.
Ka noho izany, mba handoavana ny vidin’izany sy hanovana azy ho Rakitra Soa Manokana, dia nila nandoa ny vidiny Izy izay tsy ampy vidian’ny Lanitra sy izao tontolo izao  na dia atambatra azy ireo.
Izany hoe ny saran’ny fanoloana ny vidin’ny Asany dia mbola lehibe lavitra noho ny famoronana iray manontolo. Na ny arkanjely, ny anjely, ny kerobima, ny serafima sy ireo izay any an-danitra rehetra aza niombona nividy izany, dia tsy ho ampy handoavana ny vidiny izany.
Ny asan’ny fividianana ny olombelona dia tsy maintsy Andriamanitra ihany no nanao azy. Tsy misy na iza na iza afaka hanolo Azy amin’izay.
Noho izany, dia nila nanome ny Tenany Izy, nizara ny Tenany mba hahazoany indray ny voariny. Sambany tao anatin’ny Tantaran’ny Lanitra sy ny Famoronana, Andriamanitra Zanaka, Jesosy, no nila nisaraka tamin’ny Trinite Masina: ny Ray, Zanaka sy ny Fanahy Masina ka ho tonga eto an-tany amin’ny endrik’olombelona.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!