.

.

Rakitra Soa Manokana II

 > lire en français 









 


Raha toa ka ny mamela ny Voninahitra Mandrakizay, ny Vatana ara-panahy izay avy amin’Andriamanitra sy tsy azo atao kolikoly mivoaka avy ao an-tratran’ilay Andriamanitra Ray ka manaiky hanetry tena ka haka ny vatan’olombelona, avy tamin’ny vovoka sy azo atao kolikoly no tsy ampy, alaivo sary an-tsaina ange izy nampidirina tao anaty fonja, notsaraina, nohelohina, nokapohina, nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana sy novonoin’ireo zava-boahary izay nohariany sy izay tiana fatratra !

Isaia dia nanana fomba fijery tamin’io andro io ka nanoratra manao hoe : « …Tsy nanana endrika na fahatsarantarehy Izy… »
Ilay fangirifiriana izay natao tamin’ilay Mpahary avy amin’ireo izay nohariany izay tiany fatratra dia tsy namela azy ny hanana ilay endika arak’olombelona, tamin’ny fahafantarana hoe niova endrika ny tarehiny tamin’ny alalan’ireo dian-kapoka. Noho izany, nilaza izy manao hoe : « …Ary ny endriny dia tsy nisy izay nahatsara azy»
 Ilay Mpahary dia tonga ihany koa teo amin’ny fara vodin’ny fantsakana izay noharian’ireo zava-boahary. Nijanona irery Izy, Nitaraina Izy.

Ilay Mpanao Salamo dia nahita ihany koa io andro io, nahare  ireo antsoantson’i Jesosy ka nilaza teny faminaniana: “Vonjeo aho Andriamanitra ô; Fa efa mihatra amin’ny aiko ny rano. Milentika amin’ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; Efa miditra amin’ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; Pahina ny masoko, raha miandry an’Andriamanitra aho. Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy  tsy ahoan-tsy ahoana; Mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana ; Mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy…” (Salamo 69-1-4)

Isaia dia manohy izany ka manambara ny fomba fijeriny manao hoe: “ Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana- kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karakaina. Tsy nanana endrika na fahatsarantarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy misy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; Lehilahy ory sady zatra fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy; Natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy Sady nivesatra ny fahoriantsika; Kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahoriana…” (Isaia 53-2-4)

Izany no sandan’ny famonjentsika. Sorona, hatsembohana sy ranomaso no vidiny mba hamonjena ny ain’ireo izay mandray anjara amin’ilay Tena Fiangonan’i Jesosy Kristy.
Noho ny amin’izany antony izany, ilay Andriamanitra Tsitoha dia maneho ny hafaliany amin’ny fomba miavaka, ka miantso ny fiangonana izay novidiana avy amin’ny harena Rakitra Soa Manokana.
I Jesosy dia mampitaha ny Fanjakan’ny lanitra tahaka ny harena izay nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy. (Matio 13-44)
Io “lehilahy” io, dia afaka ho enao ry mpamaky hajaina.
Ny traikefa avy amin’ny fandrombahana ny Fanjakan’ny lanitra na ny fahateraham- baovao dia mitaky finiavana, risim-po sy famaritana mba handavanao ny fiainana feno fahotana ho takalon’ny Harena  tsy hay refesina izay omeny.
I Jesosy Tompo dia nanao zavatra mifanohitra amin’izany mihitsy. Nahafoy ny Voninahiny rehetra Izy ka nandray an-tanana ireo ozon’ny fahotana rehetra ho takalon’ny famonjena ny fanahin’ireo izay maniry Azy.
Dia tsy ho tsy rariny kosa ve raha hotakiany ny rehetra avy amintsika ho takalon’ny REHETRANY?
Ho tsy rariny kosa ve ny hisoronanao ny fiainanao feno fahadisoana ho takalon’ny sorona izay Nataony ho anao???

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!