.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Tena hafa kely ireo andinin-teny asaina vakiana. Manokana farafahakeliny dimy minitra miaraka amin’Andriamanitra hamakiana, handinihana sy hivavahana momba ireo teny ireo.


 
Antenaiko fa hahafinaritra anao ny hanao fanatanjahan-tena in-telo isan-kerinandro. Raha mbola tsy tia manao izany ianao, dia ataovy ihany. Tsy afaka miaina araka ny filantsika isika.
Jesosy Tompo nampianatra antsika hivavaka ho an’ny fahavalontsika sy ho an’ireo izay mankahala antsika. Angamba ianao mahalala olona tsy dia tia anao. Na tsy mahalala olona manokana aza ianao, dia afaka mivavaka foana satria Andriamanitra mahafantatra an’ilay olona. Mangataha amin’Andriamanitra mba hanazavany ny sainy, hanomezany azy fisainana tsara kokoa ary mba ho afaka amin’ny fihetseham-po ratsy rehetra izy.
Eo amin’ny ara-bola, heveriko ho ilaina ny “Tahiry ho an’ny tsy ampoizina”, vola tehirizinao ho an’ny fotoana voatokana. Tsy hoe miandry toe-javatra ratsy isika, na loza, fa tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Josefa hanangona tahiry ho an’ny fotoan-tsarotra, dia tokony hiomana amin’ny toe-javatra rehetra isika. Eritrereto ny hanangona vola hahafahanao miaina mandritra ny roa volana farafahakeliny, raha toa mitranga ny hoe tsy mandray karama ianao. Hahafahanao “miaina” io mandra-piandry ny fotoana handaminana ny toe-javatra. Mazava ho azy, mila manangona ianao mandrapahazonao ilay vola ilaina. Ny asa androany dia ny manomboka an’io tahiry io, na dia 1 000 ariary fotsiny aza.
Raha mpandraharaha ianao, manaova koa toy izany eo amin’ny orinasanao.


> retour aux messages

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!