.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Nampianatra antsika Jesosy Tompo ao amin’ilay vavaka Rainay izay any an-danitra hoe tokony hangataka amin’ny Ray isika mba hanafahany antsika amin’ny ratsy. 

 
 
Raha tsy nisy ny ratsy, ary raha tsy nanam-paniriana izy hanapotika antsika, tsy hisahirana mihitsy i Jesosy Tompo hampiditra an’io zavatra iray ao anatin’ilay vavaka modely.
Noho izany, androany dia hanomboka ny tontolo andro isika handroaka ny ratsy rehetra manodidina antsika, izay miasa na mikatsaka ny hanapotika ny fiainantsika.
Eo amin’ny fahasalamana, marina ny voalazan’ny reninao : mahasalama ny voankazo sy ny zava-maitso noho ny ovy endasina. Noho izany, mihinàna zavatra mahasalama androany. (Ary nahoana moa raha toy izany koa rahampitso sy ny manaraka rehetra?)
Aoka mba hihainohaino ianao raha misy olona mijaly mangina, izay manafina ny fangirifiriany ao ambadiky ny tsiky na lokon-tava. Mangataha fahendrena amin’Andriamanitra, ary manokana fotoana, manomeza teny mahasoa, sofina sy toro-hevitra tsara ho an’io olona io. Mba hialana amin’ny disadisa, dia aleo ny vehivavy na lehilahy tahaka anao ihany no omena izany fanampiana izany.
Ny fitantanam-bola dia midika ho fandrindrana ny vola ampiasaina, miainga amin’ny vola miditra, araka ny tanjona kendrena. Ny fananana fitantanam-bola manokana na ho an’ny orinasa dia tena ilaina ho fandrindrana ny ho avy sy hahatratrarana ny tanjona ara-bola. Manokana fotoana hanaovana ny anao satria tena ilainao io. Raha tsy azonao atao androany dia manaova fotoana amin’ny tenanao ihany amin’ity herinandro ity hipetrahana sy hikarakarana izany.
Rahampitso indray.



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!