.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Izay tsy mahomby amin’ny fandrindrana dia mandrindra tsy fahombiazana. Raha tsy manana tanjona ianao, tsy manana fahitana an’izay tianao hahatongavana, fa miaina fotsiny amin’izao isan’andro, dia tsy ho tonga na aiza na aiza ianao.


Noho izany, ny asanao omaly sy androany dia manasa anao hieritreritra izay tianao hotanterahina amin’ity herinandro ity. Soraty ireo tanjona ireo. Raha manomboka ny tontolo andro dia atolory an’Andriamanitra am-bavaka izany, ka angataho ny Fahasoavany sy ny Fanampiany. Ho hitanao fa tena hiavaka ity herinandro ity ho anao.
Eo amin’ny fifandraisana amin’olona, saika isika rehetra dia manana olona izay tena mampiferinaina antsika; olona izay mahakizintina antsika, izay mahatonga antsika hanonofy hanana tsora-kazo mazia hikasihana ny lohany hampanjavona azy na hahatonga azy ho lasa … bitro kely.
Koa satria tsy misy ny tsora-kazo mazia, ny hany azontsika atao dia ny mivavaka. Noho izany, ny asanao androany dia ny mivavaka ho an’io olona io, mangataka ny hilatsahan’ny varatra ny soa ho azy. Ary rehefa mivavaka dia angataho koa ny faharetam-po, ny fahendrena, ny fahononam-po – ary tsarovy fa mety misy olona koa manao an’io vavaka io ho anao.
Eo amin’ny ara-bola, isika rehetra dia efa nanana hevitra tsara nefa maty tao an-tsaintsika talohan’ny nahaterahany. Manana fialan-tsiny tsara isika : tsy manam-potoana, matahotra ny tsy hahomby, tsy misy manampy, sns. Ireo orinasa lehibe sy ny zavatra goavana dia vokatry ny hevitra iray – sy olona iray izay tsy natahotra na kamo ny hanaraka sy hanatanteraka an’iny hevitra iny. Noho izany, asanao izay androany.
Andeha isika handroso amin’ny herintsika rehetra amin’ity herinandro faharoan’ny vinavina ity. Ary aza mijanona an-dàlana.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!