.

.

Zanaka sa Zana-drahalahy?



Ny zanak’i Abrahama manaiky hatrany ny tendrombohitra.
Ny zana-drahalahiny mandà hatrany.
Ny zanaka manaraka ny fitarihana avy any ambony dia vonona ny hankató.
Ny zana-drahalahy manaraka ny fitarihan’ny fo.


Ny zanak’i Abrahama miaina amin’ny alalan’ny Finoana.
Ny zana-drahalahy miaina araka ny toe-javatra misy.
Ny zanak’i Abrahama mandrombaka ary tafa-toetra.
Ny zana-drahalahy mety mandrombaka fa amin’ny farany izy maha-very ny rehetra, na ny ankohonany aza.
Ny zanak’i Abrahama miaina eo ambany Aloky ny Avo Indrindra.
Ny zana-drahalahy miaina eo ambany aloky ny hafa.
Ny zanak’i Abrahama mandresy na any amin’ny tany efitra aza.
Ny zana-drahalahy, na any amin’ny toerana tsara indrindra aza dia tsy mahomby.
Ny zanak’i Abrahama misorona ny nofinofiny ho an’ireo izay avy amin’Andriamanitra.
Ny zana-drahalahy tsy mamela ny nofinofiny, ary amin’ny farany manjary nofy ratsy izany.
Ny vadin’ny zanak’i Abrahama tsy mitodika any aoriana, mandroso izy hatramin’ny farany.
Ny vadin’ny zana-drahalahy mitodika any aoriana ka tonga vongan-tsira matsatso, izay tsy misy ilàna azy ankoatra ny hohitsakitsahin’ny olona.
Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako? Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa. Joba 41:2-3.
Abrahama nanaitra an’Andriamanitra ary Andriamanitra nanome azy izay rehetra ety ambanin’ny lanitra, ary tamin’ny farany nanome azy ny lanitra aza, fa i Lota kosa nahavery izay norombahiny sy ny ankohonany.
Ny firenena taranaky ny zanak’i Abrahama dia tsy azo isaina tahaka ny kintana eny an-danitra, raha ny an’i Lota zana-drahalahy kosa firenena 2, dia ireo Amonita sy ireo Moabita, teraka tamin’ny alalan’ny firaisana mamoafady nataon’ireo zanany vavy.

IZA IANAO? ZANAKA SA ZANA-DRAHALAHIN’I ABRAHAMA?

2 commentaires:

fabrice a dit…

ny zanak'i Abrahama mandova ny teny fikasana
ny zana-dralahany tsy mandova na inona na inona
ny zanak'i Abrahama mitolona andrombaka
ny zana-dralahany miandry taty reraka

Anonyme a dit…

Ny mankato ny tenin'i lehilahin'Andriamanitra ihany no afaka ho zanak'Andriamanitra mandova ny teny fikasana ary manana fanantenana fe ho voavonjy eo antratran'i Abrahama. fa ny mahalala nefa minia tsy mankato dia ho very mandrakizay tsy handova ny teny fikasana na oviana na oviana ary tsy ho voavonjy. hahamora an'izany anefa voalohany indrindra dia mila MIOVA FO ary manao ny marina sy mahintsy eo imason'Andriamanitra!!!!!!!

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!