.

.

Ireo izay tsy mino, dia hijanona.


« Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo ; Fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko”. (Isaia 51-2)
Fa maninona Andriamanitra no mangataka antsika ny hahatsiaro an’i Abrahama?
Inona no zava-dehibe mba nataony?
 
Inona no tian’Andriamanitra haseho, rehefa mangataka Izy mba hahatsiaro azy?
Mino aho fa momban’ny finoany izany, izay hita taratra tao amin’ny fankatovany, rehefa niantso azy Andriamanitra.
Tsy zoviana ihany koa fa i Abrahama dia niaina nifanaraka tamin’ny fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra izay tsy hitany, tsy afaka nokasihany, na tsapainy fa Nino izy.
Tsy zoviana ihany koa satria Andriamanitra dia fanahy. Tsy mahita Azy isika, tsy afaka mikasika Azy, tsy afaka mahatsapa azy. Inoana fotsiny fa misy Izy, ary Izy no mpamaly soa amin’ireo izay  mitady Azy.
Rehefa Andriamanitra nangataka tamin’i Abrahama ny zanany lahy tokana, Isaka, tamin’ny fanakatoavana, nampiseho fahavononana ny hanao sorona izy ka nametraka azy teo ambonin’ny alitara.
Mbola hita teto, ny finonan’i Abrahama dia hita tamin’ny fankatoavany ny Tenin’ Andriamanitra.
Andriamanitra dia efa nilaza tamin’i Abrahama, rehefa niantso azy, fa hitahy azy. Ny fahatongavany amin’ny faramtampon’ny finoany, amin’ny fanaovana sorona  ny zanany lahy tokana, dia nahapatonga an’Andriamanitra, niantsoantso, ka nihaniana tamin’ny tenany fa izay rehetra nampanantenainy ho an’i Abrahama dia ho tanteraka.
Na dia tsy nilaina aza ny fihaniana toy izao, satria Izy Andriamanitra. Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra, raha misy zavatra tsy hain’Andriamanitra atao dia satria mandainga Izy izany. 
Ny fahalebiazan’ny finoan’i Abrahama dia tao amin’ny fankatoavany, izany no antony nitahian’Andriamanitra azy tamin’ny lafin’ny rehetra, ka izy mihitsy no nataony ho loharanom-pitahiana.
Ny sorona no elanelana fohy amin’ny faniriana sy ny fanantanterahana.
Andriamanitra mangataka. Ny safidy ny hanome,  ny hankatoa na tsia, dia miankina amintsika.
Izay mino, aoka handeha hiaraka aminay. Satria handeha hoa any amin’ny Tendrombohitra Morija izahay.
Ireo izay tsy mino, dia hijanona.
Na dia ireo izay tsy mino aza dia hahita, azo antoka izany, fa ao amin’ny fiainan’ireo hafa.
Aiza no tianao hahatongavan’izany? Ao amin’ny fiainanao sa ao amin’ny fiainan’ny hafa?
Te hahita izany aho eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny hafa ihany koa.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!